• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
    • VI Vietnamese

Fahagagana isan'andro

Misorata anarana ary amim-pifaliana no andefasanay anao mailaka mampahery anao isa-maraina, izay nosoratana ho anao. Antsoinay hoe Fahagagana Isan'andro izany!

Aza adino: Fahagagana ianao

library-man-and-woman-sit-on-the-floor-open-book
women-see-phone-together-big-smile
Fijoroana vavolombelona Zarasoa

Misaotra Jesosy noho ny fahasoavanao

Fijoroana vavolombelona Nanou

Misaotra Ray o! Fa miahy s'y mitantana ahy hatrany Ianao fanomezana isan'andro ho ahy izany AMEN 🙏

Fahagagana isan’andro

Feno fahagagana miresaka momba an’Andriamanitra velona ny Baiboly. Izy no Andriamanitra manao izay tsy azo atao, ho azo atao! Izy no manao ny zavatra rehetra hiara-hiasa ho amin’ny tsara. Te hitahy anao Izy! Ny Fahagagana Isan'andro dia hanampy anao hampivelatra ny finoanao sy hiaina ny fanatrehana ary ny herin'Andriamanitra!

App

Tsy mpampiasa mailaka? Alaivo ity app ity  ary mahazoa fampaherezana isan'andro ao amin'ny findainao. Misy amin'ny fitaovana Apple sy Android.

Tsindrio ny iray amin'ireo safidy eto ambany raha handeha ao amin'ny App Store.

Fihaonana amin'i Norotiana

Te hanampy ny hafa foana aho, toy ireny maherifo ireny. Raha fintinina, ny dikan'ny anarako dia toy izao: ilay tia manampy, mitarika....

Saingy sarotra tamiko ny fiainana. Aretina, fahaverezan'ny reniko tamin'ny fahazazako ny andron'ny fetin'ny Reny, olana maro niaraka nomban- dranomaso be.

Nihaona tamin'i Jesosy aho 10 taona taorian'ny nahafatesan'ny reniko. Avy amin'ny fikomiana, dia lasa nankatò ny Tenin'Andriamanitra aho ary na dia teo aza ny fanamby rehetra tsy maintsy natrehiko taty aoriana, dia niorim-paka tamin'ny Teniny aho ary natoky fa tsy handao na hahafoy ahy mihitsy Izy.

Manambady Pasitera aho, ilay malalako, Leonce ary manan-janaka an'i Jude izahay. Niova tanteraka ny fiainako.

Nanomboka tamin'ny taona 2019, notendrena ho mpandrindra ny tetikasan'ny Fikambanana Malagasy "Le Miracle Malagasy" aho ary isan'andro dia miara-miasa amin'ny ekipako aho amin'ny fandikana ny lahatsoratra "Fahagagana isan'andro" amin'ny teny Malagasy ary manaparitaka izany amin'ny tamban-jotra sy ny haino aman-jery.

Tamin'ny Martsa 2026, nilaza tamiko i Jesosy ny hanoratako ny hafatra amin'ny teny Malagasy amin'izay. 

Araky ny lazain'i Eric Celerier: mampiasa ny olon-tsotra Andriamanitra mba hahavita zavatra miavaka.

Fahagagana Andriamanitra, toy izany koa ianao.