Mamelona fa tsy mamono
Aza mamono ny Fanahy. 1Tes 5:19
Rehefa mianatra Baiboly moa dia tsy maintsy mamaky sy mampitaha dikan-teny maromaro ianao. Anisan’ny andinin-tsoratra masina fohy anefa tena mafonja io 1Tes5:19 io. Fohy sady mafonja.
Ny dikan-teny Malagasy dia milaza hoe “mamono”. Mazava ho azy tsy ara-bakiteny no andraisana azy satria ny fanahy tsy mety maty fa ny tiana ambara eto dia hoe mandà ny heriny, tsy mankatoa izay lazainy, manosika ny hafa tsy hino, ny fanohizana ny fanao ratsy, minia manao zavatra tsy araky ny sitrapon’Andriamanitra, ny fanoherana ny fahamarinana…
Miainga amintsika aloha ny teny voaray. Handeha isika handinin-tena hoe mamelona sa mamono ny Fanahy isika na ny ataontsika. Ianao dia oharina amin’ny fahazavana izay mitondra izany amin'ny manodidina anao. Indraindray mety teny kely na fihetsika kely nefa dia mandrava Ilay firehetana ao anaty ka mampanjaka ny aizina.
Anjarantsika ny mikolokolo io afo io ao anatintsika aloha voalohany indrindra ary avy eo dia miampita mora foana amin’ireo izay manodidina antsika izany. Tsy afaka ny hizara izay tsy hanananao rahateo ianao.
Anio, velomy indray na misimisy hatrany ny afon’ny Fanahy hiredareda ao anatinao. Hisintona ireo olona ho amin'ny Fahazavana mahagaga sy hitoetra ao, mandram-pihavian’ny Tompo indray. Meteza ho fitaovana mamelona fa tsy mamono.
Satria….Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕