Inona no hitanao?
Ara-panahy ny fiainana. Ary izay voarainao ao amin’ny fanahy ihany no ho hitanao ety ivelany. Ohatra hoe feno tahotra sy horohoro ao anatin’ny fanahinao dia izay jerenao dia mamboly tahotra toy izany koa, ka matetika dia voateninao mihitsy aza satria izay be ao ampo no tenenin’ny vava (Matio 12:34b)
Mila mitandrina ianao noho izany amin’izay avelanao hiditra ao anatinao. Ary mety hoe tsy nahy ny nahatafidirany fa safidinao ny hihazona izany ao na tsia.
Omeko ohatra iray ianao. Naharay ny teny ao amin’ny Hebreo 13:5 ianao manao hoe "Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory" dia manomboka mahita ianao ao amin'ny fanahinao hoe io ny tanan’Andriamanitra momba anao, dia misy olona miala aminao nefa ianao tsy mahatsiaro ho irery na nilaozana fa feno fitsaharana sy fiadanana tanteraka…..dia toy izay mihitsy ny hiainanao azy ety ivelany ka mahatonga ny olona miteny hoe fa ahoana no ataonao eeee, toa na inona na inona mihatra aminao dia toa tsy mahataitra anao fa calme be ianao?? Dia hamaly am-pitokiana ianao hoe haiko Ilay nilaza tamiko fa tsy handao na hahafoy ahy mihitsy!!! Dia tsy matahotra aho! Aleloiaa!
Misy koa anefa olona mahavoaray io teny io ihany fa ny ao anatiny indray dia vao maika mihorohoro sy feno fanahiana : dia ahoana raha tsy mety? Aiza no ahazoako antoka fa tsy handao ahy Izy? Izaho ange efa nilaozan’ny olona impiry eee….tsy mendrika aho fa nanao an’izao sy izao….tsy ho ahy angamba izany fa izany ve ho possible eee…Andriamanitra tsy manampy izay tsy manampy ny tenany eee….Tsia!!!!Lavo ny mihaino sy miteny toy izany!!!Tsy araky ny Soratra Masina izany ary misintona zavatra ratsy eo amin’ny fiainanao.
Manomboha mahita fiainana tsara, fandresena goavana, fahasalama, famerenana amin’ny laoniny ny fifandraisana rava, famatsiana amin’ny fotoana rehetra….”raha tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay.” (2 Korintiana 4:18)
Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕