Krismasy : Ny nahaterahan’I Jesosy Kristy
Desambra : Ilay volana ankalazantsika ny Krismasy! Rehefa taritintsika hiditra ho ao an-trano na alaina midina avy ao amin'ny efitra ambanin’ny tafo ny hazo krismasy. Feno jiro krismasy ny lalana ary ny dokambarotra krismasy dia ilay mandatsa-dranomaso ireny indray. Ny tanjon’izany rehetra izany dia ny hampiray sy hampifaly ny olona rehetra. Na fantatrao na tsia ny tantaran’ny Krismasy - tsy misy afa-bela amin'izany! Iarahantsika mahalala fa tsy tokony ho izao lasa resaka fanjifana goavam-be izao ny Krismasy. Mandavantaona dia mifantoka bebe kokoa amin'ilay fankalazana lehibe ny horonantsary, mitady ny hanambara mazava ny “tena dikan'ny Krismasy”. Fa inona tokoa no tena dikany?

Ny fiainan’i Jesosy
Na tsaroanao na tsia, isan-taona dia miato vetivety ianao mba handinika ny fiainan’I Jesosy Kristy. Indrindra rehefa Krismasy! Tsy mba voadingana mihitsy ny Krismasy amin'ny faritra andrefan'izao tontolo izao. Rehefa nandeha ny taona dia lasa somary namaivanina na nisafotofoto ny tantara ambadiky ny Krismasy. Iarahantsika mahalala fa tsy fanomezana na Dadabe Noely loatra no tena resahina. Koa dia lasa momban’ny fahazoana aina sy hafanana mandritra ny andro sarotra, fitiavana, fahafoizana ary ny lanjan’ny fianakaviana ny Krismasy.
Kanefa ny tena fototry ny Krismasy dia “fahatongavana ho nofo”. Izay midika hoe Andriamanitra lasa olombelona. Jesosy tonga amin'izao tontolo efa rava izao ity. Tahaka ny zazakely rehetra, nefa koa tsy mba tahaka ny zazakely rehetra.
Marina ny filazana fa niavaka tanteraka tamin'ny hafa I Jesosy, raha jerena fotsiny ny amin'ny mbola ankalazaintsika ny nahaterahany taon-jato maro aty aoriana. Fa mba tahaka ny ahoana ny fitrangany? Iza avy no olona tafiditra anatin'izany? Nahoana no mbola mankalaza izany foana isika mandrak’ankehitriny?
Inona no atao hoe Krismasy?
Ny Krismasy dia ny fahaterahan’I Jesosy Kristy. Tantara iray izay nitranga tao an-tranon’omby, tao Betlehema tao Israely. Tao amin'io tranon'omby io no niatrika ny alina niaraka tamin'i Josefa vadiny i Maria, rehefa samy reraky ny tontolo andro. Tamin'io alina io no niterahany ny Zanany, I Jesosy.
Angamba mety efa nahita izany fahaterahana izany ianao; trano bongo kely misy zazakely ao anaty boaty hazo. Ny olona manodidina dia faly sady talanjona mijery Azy. Andeha hojerentsika izay fahaterahana izay mba hamantarantsika ny tena dikan’ny Krismasy.
Ny tantaran’ny Krismasy : Iza, Inona, Aiza?
Ny ivon’ny fahaterahana dia I Jesosy zazakely. Ny Krismasy dia tsy miresaka afa-tsy ny nahaterahan’ny zaza antsoina hoe Jesosy. Ny eo anilany dia i Josefa rainy sy i Maria reniny. Koa satria manambara ny tantara fa teraka tao an-tranon'omby I Jesosy dia nahitana biby hafa koa tao. Ankoatra izay dia misy koa mpiandry ondry avy any an-tsaha, “Olon-kendry” na koa “Magy” avy any Atsinanana. Misy anjely izay aseho ho toy ny manidina eny amin’ny rivotra. Ireo sarivongana rehetra ireo dia nanana anjara toerana lehibe tamin'ny tantaran'ny Krismasy. Andeha hofantarintsika tsirairay izy ireo.
Iza moa ity zaza ity?
Jesosy zazakely no ivon’ny fankalazana manontolo. Jesosy dia zazakely tena miavaka. Na inona na inona mety heverinao momba Azy - nanova izao tontolo izao ny nahaterahany. Inona no mampiavaka ity zazakely ity amin'ny rehetra? Notorotoronina tamin'ny Fanahy Masin’Andriamanitra Izy. Izy irery ihany no olona izay sady teraka olombelona manontolo no Andriamanitra manontolo. Izay no mahatonga an’I Jesosy antsoina koa hoe zanak'Andriamanitra!
Izay no mahatonga antsika mbola mankalaza ny nahaterahan'io zazakely io mandrak'ankehitriny 2000 aty aoriana!
Iza moa i Maria?
Maria dia tovovavy tahaka ny rehetra avy tao Nazareta. Fofombadin’i Josefa izy. Tokony ho teo amin'ny 16 taona teo eo. Toa mbola tanora loatra izany raha ho an’ny androntsika, fa raha tamin'izany dia efa taonan’ny fanambadiana izany taona izany. Novangian’ny anjely i Maria izay nilaza taminy fa hitoe-jaza tena miavaka izy ary ny anarany dia hataony hoe Jesosy. Taitra loatra i Maria satria tsy mbola nahalala lahy izy. Nanontany ny anjely izy hoe “Hanao ahoana re no hahatanteraka izany?” Nanome toky azy ny anjely fa Andriamanitra no hahatonga azy ho bevohoka, amin'ny alalan'ny Fanahiny! Koa dia neken’i Maria ny sitrapon’Andriamanitra.
Ny lesona mahafinaritra azontsika tsoahina avy amin’i Maria dia izy nanaiky tsotra izao ny planin’Andriamanitra, na dia saro-pantarina sy mavesatra aza izany. Feno fanetren-tena sy fankatoavana i Maria, ary dia ho heniky ny fitahiana sy fahasoavana mandrakizay izy noho izany!
Iza moa i Josefa?
Fofombadin'i Maria i Josefa tamin'izy nahafantatra fa nitoe-jaza i Maria. Koa satria tsy mbola nahalala azy izy dia tsy izy no rain’ilay zaza. Mety ho sosotra sy kivy raha tamin'izany! Nikasa ny handao azy mangingina izy.
Rehefa afaka izany dia nanonofy i Josefa, nilaza taminy ny anjely fa tsy namitaka azy velively i Maria, fa Andriamanitra no nahatonga azy ho bevohoka! Ary koa ilay zanaka haterany dia ilay Mpamonjy izao tontolo izao. Na dia sarotra tamin’i Josefa ary izany dia nanova ny zavatra rehetra ny nofiny. Tapa-kevitra izy ny ho rain’I Jesosy.
Mbola misy ihany koa nofin’i Josefa, izay hilazan’Andriamanitra azy zavatra goavana. Aoriana kely no hamantaranao misimisy momba izany nofiny izany
Nahoana no nisy mpiandry ondry?
Ireo mpiandry ondry ireo no voalohany namangy an’I Jesosy tamin’Izy teraka. Tamin'ny alin’ny nahaterahan’I Jesosy dia niseho tamin'izy ireo ny anjely fony izy teny an-tsaha. Nilaza tamin’izy ireo ny amin'ilay zazakely sarobidy izy. Avy eo dia nhazakazaka ho any amin'ilay toerana notondroin’ny anjely izy ireo.
Tamin'izany andro izany, ny mpiandry ondry dia noheverina ho ambany teo anivon'ny fiaraha-monina. Asa tsy dia tena nirina loatra izany. Ny mpiandry ondry dia mazana olona tsy dia mahalala fomba. Izany no mahatonga azy ireo no nasaina voalohany nitsidika an’I Jesosy zazakely. Izany dia mampiseho amintsika fa Andriamanitra dia tena mitsinjo ny olona izay ambany eo anivon'ny fiaraha-monina.
Ahoana ny amin'ireo “olon-kendry”?
“izahay mpanjaka telo avy any Atsinanana…” hoy ny hira mandeha. Tsy nisy raki-tsoratra ara-baiboly manambara mazava hoe antoko telo izy ireo. Indraindray dia lazaina fotsiny izy ireo hoe magy na olon-kendry. Ny zavatra iray izay tena azo antoka dia izy ireo avy any Atsinanana. Fantatsika fa nanaraka ny astronomy izy ireo. Naminavina avy tamin'ny alalan'ny kintana.
Fantatsika fa izao no nataon’izy ireo rehefa nahatazana ilay kintana hafa kely. Ny fahatongavan'ny Mpanjaka vaovao no nandraisan’izy ireo ho dikan’ilay kintana. Koa nandeha izy ireo hanaraka ilay kintana tao Israely. Notsidihany aloha ny mpanjaka tao an-toerana, Heroda. Tsy mahalala na inona na inona momba izany ity farany. Avy eo dia niroso tamin'ny fikarohana izy ireo ka tonga tao an-tranon'omby tao Betlehema ihany. Nitondra fanomezana karazany telo izy ireo, volamena, zava-manitra ary miora. Izay no nihavian’ilay vinavinan’ny isan’izy ireo ho telo.
Ny tsipirian-javatra iray izay mahaliana manokana dia ny hoe na dia misy aza fahaterahana izay sady ahitana mpiandry ondry no ahitana olon-kendry, ireo olon-kendry ireo dia 2 taona taorian'ny nahaterahan'I Jesosy vao tokony tonga tao. Izany hoe efa tsy teo intsony efa ela ireo mpiandry ondry, ary ilay ankohonana masina dia efa tao amina toerana tsara kokoa noho ny tranon'omby!
Ahoana ny amin'ilay kintana?
Eo ambonin'ilay tranon'omby no matetika ahitana kintana mamiratra. Zava-dehibe ny asan’io kintana io mandritra ny Krismasy. Izy io aza dia matetika hitantsika eo an-tampon’ny hazo krismasy, mamirapiratra fatratra. Ny kintana no manondro ny toerana hahaterahan’I Jesosy ho an'ireo olon-kendry. Ny kintana vaovao dia manamarika ny fahaterahan'ny mpanjaka vaovao. Ny kintana ihany koa, tamin'izany vanimpotoana izany, dia noraisina ho tahaka ny famantarana ny amin'ny fanantenana vaovao sy tsara kokoa. Tsy dia misy ifandraisany amin'ny finoana Kristianina loatra ny astronomy ankehitriny, nefa tamin'izany andro izany dia matetika ny olona toa mibanjina ny kintana mba hahazoany famantarana.
Tena nisy ve io kintana Krismasy io? Saika miombon-kevitra avokoa ny astronoma rehetra : Eny! Ireo astronoma sinoa ihany koa dia nanao tatitra fa nahatazana kintana hafa kely tamin'izany vanimpotoana izany. Ny tena hitan'ireo olona ireo maso anefa dia tsy voafaritra mazava. “Supernova”, ny planeta “Venus” sy “Jupiter” mifanitsy na koa kometa “Halley”. Na inona na inona antony, ny azo antoka dia nisy kintana vaovao namirapiratra hita tamin'io fotoana io.
Ahoana ny amin'ilay Anjely?
Ny anjely dia miverimberina mandritra ny tantaran'ny Krismasy. Nitsidika an’i Maria ny anjely iray antsoina hoe Gabriela, izay nilaza taminy fa ho bevohoka izy. Io anjely io ihany koa dia miseho amin’ny olona hafa ao amin’ny Baiboly. Nanana nofy maromaro i Josefa izay nisy anjely niresaka taminy. Dia mazava ho azy fa tamin’ny alalan’ny anjely no nandrenesan’ny mpiandry ondry ny nahaterahan’ny Mpamonjy.
Tsara ny manamarika fa ny anjely araka ny hitantsika matetika amin'ny haingon-trano, izay tahaka ny vehivavy faran’izay tsara tarehy na koa heverintsika ho toy ny zazakely botakely mahafatifaty, dia mifanohitra tanteraka amin’izay hitantsika ao amin'ny Baiboly. Amin'ny ankapobeny, rehefa mamaky momba ny olona nifanena tamin'ny anjely isika, ny zavatra voalohany nolazain'ny anjely dia ny hoe "Aza matahotra". Ny anton'izany dia satria mety hampatahotra ny fisehoany! Ny hitantsika ao amin'ny Baiboly dia ny halavany tena avo be, miloko varahina ary mamoaka hazavana mamirapiratra.
Inona avy ireo biby niatrika ny fahaterahana?
Ny fahaterahana dia saika nahitana karazam-biby avokoa. Andeha hatomboka amin'ireo biby izay tsy maintsy niray trano tampoka tamin'i Josefa sy Maria ary Jesosy. Tsy fantatsika mazava hoe inona no biby tao, fa ny fantatsika dia ny hoe I Jesosy nandry teo amin'ny fihinanam-bilona. Noho izany dia noheverina hoe nisy biby isan-karazany izay efa mahazatra sy mifanaraka amin'izany vanim-potoana izany tao, toy ny omby na osy. Nisy ihany koa ilay ampondra izay fantatsika fa notaingainan’i Maria hahatongavany tao Betlehema fony izy mbola bevohoka.
Ny mpiandry ondry dia nitondra ny ondriny. Ireo olon-kendry avy any Atsinanana dia nitaingina rameva. Izany no fitaterana nety indrindra ho an’ny dia lavitra tamin'izany fotoana. Tsy fantatsika nefa raha tena tafiditra marina tao anatin'ny tranon'omby ireo biby ireo. Raha ny marina dia tsy azontsika antoka tanteraka fa tena tranon'omby no nisy azy ireo. Ny Baiboly dia milaza fotsiny fa nandry teo amin'ny fihinanam-bilona I Jesosy. Noho izany dia noheverina ho tao anaty toerana niaraka tamin'ny biby fotsiny Izy.
Taiza no nitranga ny fahaterahana?
Teraka tao Betlehema Jesosy, tanànan'ny Israely. Teraka tao an-tranon'omby efa haolo na lava-bato Izy. Nonina tao Nazareta i Josefa sy Maria, eo amin'ny 140 kilometatra eo avy eo Betlehema. Dian-tongotra mandritra ny herinandro eo no hahatongavany ao an-drenivohitra. Tsarovy fa bevohoka be efa hihetsi-jaza Maria tamin'izany.
Tsy ny hanao tsinam-bolana na dia an-tanàna no antony nandehanan’izy ireo tao Betlehema. Tsy maintsy nisoratra anarana tao amin’ny lisitry ny mponina tamin’izany fotoana izany izy ireo, araka ny baikon’ny emperora. Any amin'ny toerana niavian'ny razambeny ihany izany no azo atao. Koa satria nihatra tamin’ny firenena iray manontolo io didy io, dia feno vahiny ny tanàna ary hipoka ny tranom-bahiny rehetra. Tsy mba nisy toerana honenan’i Josefa sy Maria intsony.
Farany dia nisy olona nanolotra azy ireo toerana hatoriana, tao an-tranon'omby niaraka tamin'ny biby. Ilay toerana ara-tantara niterahan’i Maria an’i Jesosy zazakely. Voalaza fa nofonosina lamba I Jesosy ary napetraka tao anaty fihinanam-bilona.
Oviana ny Krismasy voalohany?
Ny tetiandrontsika dia mifototra amin'ny nahaterahan’I Jesosy 2020 taona mihoatra lasa izay. Tsy fantatra mazava ny taona marina fa ny daty nahaterahany dia nitranga tokony 4 taona talohan'ny vanimpotoana iainantsika. Ahitana mpiandry ondry ny tantara, kanefa mangatsiaka loatra ho azy ireo izay miandry ny ondriny any ivelany ny volana Desambra. Midika izany fa tokony ho teraka volana Marsa na Aprily I Jesosy. Taty aoriana dia nosafidiana ny volana Desambra satria ny romana dia nankalaza ny fisasahan’ny ririnina isaky ny 25 Desambra. Ireo Kristianina voalohany dia nanapa-kevitra ny hankalaza ny nahaterahan'I Jesosy mandritra io fankalazana io.
Angano tahaka ny hafa ve izany?
Izay angamba ny fanontaniana manan-danja indrindra, satria, mazava ho azy, dia mahafinaritra, mampientam-po, ary toa tantaram-pitiavana mihitsy aza ny Krismasy. Ahitana fifankatiavana eo amin’i Josefa sy Maria, I Jesosy zazakely mahafatifaty, ary ireo fisehoan-javatra mahagaga toy ny fahatongavan’ny mpiandry ondry sy ny olon-kendry. Ny ankamaroan'ny tantaran'ny Krismasy dia natao ho tantaram-pitiavana ka mety tsy mifanaraka amin'ny tena zava-nitranga marina akory aza.
Iza no nanoratra ny tantara?
DAzontsika antoka ho tena nisy ve ity tantara ity raha efa tamin'izany fahiny ela be izany no nisehoany?
Ny valiny dia Eny! Azontsika antoka, satria voasoratra mazava sy marina ao amin'ny Baiboly izany.
Ny Baiboly no boky manan-danja indrindra amin'izao tontolo izao ho an'ny Kristianina. Mizara 2 izany sady koa fitambarana boky maromaro. Ny fizarana voalohany dia antsoina hoe Testamenta Taloha. Ity farany dia miresaka momba ny tantaran’ny Joda sy ny tanin’ny Isiraely ary ny nahariana izao tontolo izao. Ao amin'ny Testamenta Taloha dia milaza fa indray andro any dia hisy Mpamonjy ho avy. Ahitana faminaniana isan-karazany ao. Betsaka ny faminaniana milaza ny fomba sy ny toerana hahaterahan’ny Mesia Jiosy ka notanterahan’I Jesosy izany rehetra izany!
Ny fizarana faharoa dia antsoina hoe Testamenta Vaovao. Fitambarana boky ihany koa izany, izay nosoratan'ireo mpianatr'I Jesosy sy ireo olona hafa izay nanoratra ny fiainana sy ny fahafatesan’I Jesosy. Mpanoratra 2 samihafa no nanoratra ny tantaran'ny Krismasy, Matio sy Lioka. Matio dia nahafantatra manokana an'I Jesosy sady tena namany akaiky. Taoriana kelin’ny nahafatesany dia nanomboka nanangona tantara izy ireo ka nanambatra izany. Ireo boky hafa ao amin'ny Testamenta Vaovao dia manoro ny amin'izay fomba fiaina Kristianina sy mampahafantatra ny amin’izay zavatra hitranga any aoriana.
Aiza i Dadabe Noely?
Misy olona iray izay toa tsy hita ao amin'ny Fahaterahana; Dadabe Noely! Satria tsy misy idiran’i Dadabe Noely velively ny tena tantaran'ny Krismasy. Tao Holandy no tena nihavian’ny tantaran’i Dadabe Noely. Satria ny Dadabe Noely dia azo lazaina ihany koa hoe - mety efa azonao an-tsaina izany - “Sinterklaas”. Ireo mpifindra monina holandey dia nitondra ity fomban-drazana ity niaraka tamin'izy ireo tany Amerika ary nifangaro tamin'ny fomban-drazana alemana izany toy ny fanolorana fanomezana rehefa Krismasy.
Ankoatra izay dia tsy misy idiran'ny hazo krismasy ihany koa ny Krismasy. Ny fomban-drazana izay fametrahana hazo krismasy amin'ny volana Desambra sy ny fanaingoana azy dia avy amin'ny fankalazana alemana fahiny. Efa hatry ny ela aza no noraran’ny Kristianina ny hazo krismasy satria tsy misy ifandraisany amin’ny Krismasy velively.
Iza no namerina voalohany ny fahaterahana?
Rehefa avy niresaka momba ireo mpandray anjara rehetra ireo isika, dia mety hanontany tena ianao hoe avy aiza no nipoiran’ny hevitra hamerenana indray ny toerana nahaterahan’I Jesosy? Taorian’ny nahaterahan’I Jesosy, tamin’ny taona 1223, no voaresaka voalohany ny fahaterahany. I François d’Assise, mpitondra fivavahana nalaza tamin’izany, no nanangana toerana nahaterahana tena izy tao amin’ny tanàna iray any Italia.
Talohan'izy dia matetika nisy fandrian-jaza natsangana rehefa Krismasy. Fa ny famerenana ny tantaran'ny Krismasy amin'ny fomba toy izany dia tsy mbola natao taloha. I François d’Assise dia naniry hanome zavatra bebe kokoa ny amin'ny lafiny maha-olombelona amin'ny tantara. Tantsaha avy tao an-tanàna no nilalao an’i Josefa sy Maria. Nanantena izy fa hahazo aingam-panahy avy amin'ny fahononan-tena sy ny fanetren-tena ireo mpijery.
Hitan’ny mpijery fa tena niavaka izany seho izany ka dia lasa naverimberin’izy ireo tany an-tranony avy, mba ho fahatsiarovana ny tantara sy ny hevitra ambadiky ny Krismasy.
Nahoana no mbola mankalaza ny Krismasy foana isika hatramin'izao?
Ny fanontaniana tena manan-danja indrindra dia izao : nahoana no mbola mankalaza Krismasy foana ny olona mandrak'ankehitriny, roa arivo taona aty aoriana? Jesosy no Lehibe Indrindra amin'ny finoana kristianina. Fotoam-pifaliana ny nahaterahany. Mino izareo fa Jesosy no Ilay zanak'Andriamanitra izay nalefan’Andriamanitra tety an-tany mba hanehoany ny fitiavany ny olombelona. Betsaka ireo tsipiriany izay tsy dia manan-danja manokana, fa ny tena goavana dia ilay hafatra tian’ny Krismasy ampitaina. Andriamanitra izay toa alavitra indrindra no lasa zazakely tsy manan-tsiny,
“Ary ny anarany hataon'ny olona hoe Imanoela”
izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra.” Matio 1 : 23
Tsy mbola akaiky antsika tahaka izany Andriamanitra hatramin'izay. Fankalazana fanantenana sy fitiavana ny Krismasy. Tonga mba hanatanteraka ny dikan’ny Anarany I Jesosy, “Jehovah no Mpamonjy”.
Fiandohana ihany ny Krismasy. Ilay fetibe voalohany ao amin'ny tetiandro Kristianina. Ankoatra izay dia misy ny fankalazana lehibe hafa toy ny Paska, Fiakarana any an-danitra ary ny Pentekosta. Satria tsy nijanona ho zazakely tsy akory I Jesosy, fiandohana ihany ny fahaterahany. Nitombo ho lasa lehilahy matotra manana iraka lehibe mazava Izy. Iraka izay tsy maintsy notanterahiny tamin'ny fahafatesana. Fa izany dia mbola tantara hafa koa!