• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
    • VI Vietnamese
Andro namoahana Nov 6, 2026

Rotsakazo

Andro namoahana Nov 6, 2026

Mampalaelo ny mahita ny tanora sasany amin’izao fotoana izao tena mirona amin’ny zava-mahadomelina sy ny karazana ditra hitany eraky ny tambanjotra na ny fahitalavitra. Lasa atao fanao ny vao kely dia efa manandrana mifoka sigara, mivoaka alina, ary miha-maro ny ankizy bevohoka tsy ampy taona. Ambetin-tenin’ny ray aman-dreny amin’izao ny hoe manahirana ny mitaiza.  

Ao amin’ny Baiboly dia misy ilay andinin-teny hoe “Izay mitsitsy ny tsorakazony dia tsy tia ny zanany; Fa izay tia zanaka dia manafay azy, raha mbola kely.” Ohabolana 13:24 Ny fitaizana dia miainga hatramin’ny fahazazana, tsy atao hoe mampalaelo izy raha kapohana fa mila ahintsy izy ary hamafisin’ny Ohabolana 22:6 hoe “Zaro amin'izay lalana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin'izany.”

Vao kely izy dia ampianaro mahalala fomba, mitondra tena imason’olona, manaja ny olon-dehibe sy ny olona amin’ny ankapobeny mihitsy na amin’ny fiteny na amin’ny fihetsika, ampianaro izy ahay hanavaka ny tsara sy ny ratsy ary indrindra ho tia vavaka. Vao kely izy dia zaro mivavaka, entina any am-piangonana, miara-mivavaka ianareo ao an-trano fa tsy hoe izy irery koa no mandeha fa ny ray aman-dreny tsy mandeha ohatra. Isika no tarafin’ny zanaka ary ireo ataony rehefa miha-lehibe izy dia noho ireo fitondran-tena na fihetsika ataontsika teo imasony. Na ireo navelansika nojereny ka mahatonga azy ho be famaliana na mamono mihitsy. Tompon’andraikitra zato isan-jato isika ao anatin’izany. 

Misy miteny hoe tsy mba mikapoka ny zanany, fa rehefa ilaina ahintsy izy dia atao izany. Tsy hoe vonoina handratra sanatria fa mila fantany hoe hatraiza ny fetra tokony atao. Misy hoe omena finday izy dia mangina fa izahay be asa… kanefa dia lasa ny zavatra jereny ao no lasa mampianatra sy manabe azy ka  gaga isika mahita vokatra hafa noho ny heverintsika. 

Inoako fa tianao ny zanakao. Handeha hiezaka isika hamafy fitiavana, finiavana, fahendrena, fahamoram-po… eo amin’izy ireo fa izay afafintsika no jinjaintsika. Mahereza fa vitanao io, ny Tompo momba anao. 

Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕

Norotiana Andriamanohy
Mpanoratra

Vehivavy tsotra iray izay nihaona tamin'i Jesosy ary niova ho voninahiny