Mangina
Nisy fotoana aho sorena ary tena te hanazava be ny hevitro hoe izao sy izao. Feno be ny foko tamin’izay, tsy feno ny fanahy masina sy fahendrena fa feno hatezerana. Nangidy tamiko ny natao ahy ary tena nivonona hitondra fanazavana aho amin’ity fo feno ratra….Nahavariana ahy fa tsy nanana fotoana aho hihaonana tamin’ilay olona ary toa voasakana noho ny antony tsy azo hanoharana foana ny fihaonanay…Nandeha teny ny andro ary nisinda tsikelikely ny tao am-poko. Zaraiko aminao izany, tsy hoe maneho ny fahalemeko aho tamin’izany fa ny handraisantsika lesona kosa anefa. Vao nifanena tamin’ilay olona aho dia henoko nisamboaravoara be ny tao anatiko, misy hoe te hanazava, dia misy hoe aza miteny fa aok’izay. Ilay olona amin’io ohatrany efa tsy nahatadidy intsony hoe nisy disadisa teo aminay. Izaho irery no toa tsy feno fiadanana. Dia nisintaka kely aho. Naka toerana mangina hiresahiko amin’ny Tompo hoe inona no ataoko fa lasa manimba ny ato anatiko izany.
Dia inty ny teny azoko : “Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina.” Eksodosy 14:14
Hangina? Manoloana ny tsy rariny? Fa hoy ny Tompo hoe : izay mihitsy. Izay ny antony tsy nampihaonako anao taminy satria hiteny zavatra mety ratsy na hanenenanao ianao noho ny hatezerana. Aza miteny fa Izaho hiady ho anao.
Fa dia marina amin’ny Teniny ny Tompo. Niady ho ahy izy ary ilay disadisa teo dia naravony satria ilay olona indray no nikaroka vahaolana ho ahy ary niezaka nanao izay mety.
Hitanao, “Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na zanak'olombelona ka hanenina; moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? na efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny?” Nomery 23:19
Miahy ny momba anao rehetra Izy, hatrany amin’ny hatsimpiriany kely indrindra. Hampangino ny ao anatinao dia avelao Jehovah hiady ho anao.
Efa hainao fa … Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕