
Fahagagana isan'andro
Misorata anarana ary amim-pifaliana no andefasanay anao mailaka mampahery anao isa-maraina, izay nosoratana ho anao. Antsoinay hoe Fahagagana Isan'andro izany!

Aza adino: Fahagagana ianao
Fahagagana isan’andro
Feno fahagagana miresaka momba an’Andriamanitra velona ny Baiboly. Izy no Andriamanitra manao izay tsy azo atao, ho azo atao! Izy no manao ny zavatra rehetra hiara-hiasa ho amin’ny tsara. Te hitahy anao Izy! Ny Fahagagana Isan'andro dia hanampy anao hampivelatra ny finoanao sy hiaina ny fanatrehana ary ny herin'Andriamanitra!

App
Tsy mpampiasa mailaka? Alaivo ity app ity ary mahazoa fampaherezana isan'andro ao amin'ny findainao. Misy amin'ny fitaovana Apple sy Android.
Tsindrio ny iray amin'ireo safidy eto ambany raha handeha ao amin'ny App Store.

Fihaonana amin'i Eric
Eric Célérier dia pasitera, no mpamorona, ary mpitory filazantsara eo amin'ny aterineto. Ny misy azy dia mivoaka kely an'i Paris. Izy no nanoratra ny "Fahagagana isan'andro". Izy no anisan'ny mpisava làlana amin'ny fitoriana filazantsara eto amin'ny aterineto ary nanorina ny "Jesus Net", ilay tambazotra lehibe indrindra eo amin'ny fitoriana filazantsara amin'ny aterineto sy ny fananganana mpianatra maneran-tany! Jesus.Net dia voadika amin'ny fiteny 34 ary miara-miasa amin'ny vondrona kristianina mihoatra ny 80.
"Napetrak'Andriamanitra tam-poko ny firehetana hampahery sy hanampy ireo mpiray vodirindrina amiko sy ireo mpino rahalahiko sy anabaviko. Izay no antony , rehefa avy nanorina ny "TopChrétien" sy ny "Jesus.net" aho, dia be tao am-poko ny hanomboka ministera manakaiky kokoa hatrany. Izay no niandohan'ny "Fahagagana isan'andro". Io hevitra io dia teraka tanatin'ny fotoam-bavaka an-tendrombohitra tao Colorado, Etazonia. Tahaka ny niteny tamiko ny Fanahy Masina hoe : "Eric, hampaherezo ny oloko. Andriamanitra Velona Aho ary sitrako ny haneho ny Fanatrehako eo amin'ny fiainan'ny zanako" . Mila fampaherezana isika tsirairay mba hino indray ilay Andriamanitry ny fahagagana! (Marka 16:17-20; Asa 1:8)
Ny volana Aogositra 2015 no nivoaka voalohany ny "Fahagagana isan'andro" tamin'ny fiteny Frantsay teo amin'ny tambanjotra serasera. Io hafatra isan'andro io dia voadika amin'ny fitney mihoatry ny 15 ankehitriny ary olona marobe maneran-tany no misoratra anarana handray izany. "Tena talanjona aho ny amin'ny fiasan'Andriamanitra amin'ny alalan'ireo teny fampaherezana ireo. Atolotra Azy irery ny Voninahitra! Mivavaka aho fa ity mofon'aina isan'andro ity dia ho fitahiana azo tsapain-tanana ho anao ary hanosika anao amin'ny anjara voatendrinao izay nomanin'Andriamanitra ho anao!"