• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
    • VI Vietnamese
Andro namoahana Okt 22, 2026

Tsy maintsy

Andro namoahana Okt 22, 2026

Hitohy hiresaka momba ny Finoana isika ary anio dia manasa anao aho hiara-hisaintsaina amiko ity Teny ao amin’ny Hebreo 11:6 ity hoe : “Fa raha tsy amin'ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an'Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.”

Mazava tsara ny Teny eto hoe raha te ahazo sitraka amin’Andriamanitra dia tsy vola, na diplaoma maro, na fananana, na “titre” fa finoana. Ary mbola nohamafisiny izany hoe TSY MAINTSY… tsy misy safidy hoe eto aho hino, eto aho aleo hanaovako azy amin’ny fahaizako. Tsia!!! Tsy maintsy mino fa misy Izy raha te ahazo sitraka Aminy ary Izy kosa manome toky fa hamaly soa.  

Ny famaritana ny ato hoe finoana dia hitantsika ao amin’ny Hebreo 11:1 manao hoe “Ary ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.”. Betsaka amintsika no sahirana eo amin’ilay tapany faharoa hoe hino zavatra tsy hita. Fa nefa dia izay mihitsy hoe mahatoky Azy 100% tsy mitady vahaolana any an-kafa. 

Asaiko ianao anio hanao izay ezaky ny finoana izay. Manomboha mahita ny fiovana ao anatinao, eo amin’io tranga lalovanao io na tahaka ny ahoana na ahoana fahatsapanao. 

Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕

Norotiana Andriamanohy
Mpanoratra

Vehivavy tsotra iray izay nihaona tamin'i Jesosy ary niova ho voninahiny