• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
    • VI Vietnamese
Andro namoahana Okt 21, 2026

Arahin’asa

Andro namoahana Okt 21, 2026

Indroa nandalo tambanin’ny masoko ity andininy ity anio raha namadika ny baiboliko aho. Habakoka 2:4 “....Fa ny marina ho velon'ny finoany” dia sady nisaintsaina izany aho no namadika indray ary niverina ilay Teny fa tao amin’ny Romana 1:17 hoe”...Ny marina amin'ny finoana no ho velona”... Mahasoa ny teny haverina 😊

Haiko fa maniry hampita zavatra amiko ny Fanahy Masina. Nisy fotoana aho tena tsy nandeha tamin’ny finoana fa nandeha tamin’ny fahalalako fotsiny ary tena nitondra vesatra mihoatry ny noheveriko. Soa fa be famindram-po Andriamanitra ary mitarika ahy amin’ny lala-marina. Ianao koa efa toa ahy? 

Mila hiainantsika ny finoana. Na toy ny ahoana hitantsika na tsapantsika dia mila mahatoky an’Andriamanitra sy ny teniny isika ary mamela Azy hiasa araky ny sitrapony. Eny, voalaza hoe “Ny finoana tsy arahin’asa dia maty” (Jakoba 2:17) fa ny fototra voalohany dia mino ve isika? Satria rehefa hinoantsika fa ho ataon’Andriamanitra ilay izy dia hitsahatra ny fisainana hafa ary hivelona amin’izay isika. Ary dia mandray valim-bavaka. 

Ohatra tsotra raisintsika anio dia ny teny ao amin’ny Isaia 53:5 “...ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika.”. Tsy ampy fotsiny ny manao Amen mafy fa mila inoanao fa efa nositraniny isika. Efa lasa io teny io fa tsy hoe vao hanao izany Izy. Manomboka misaintsaina izany ianao dia rehefa feno fandresen-dahatra anatinao dia ambaranao am-pinoana amin’izay (izay ilay asa eto ohatra) hoe : “ efa sitrana aho noho ny dian-kapoka taminy!” dia ho hitanao fa hisy fiadanana tsy hay hazavaina ao anatinao ary ho raisinao ny valim-bavakao. 

Manomboha mihetsika amim-pinoana arak’izay teny voarainao ary aza mamotsotra ambara-pandraisanao ny valim-bavakao. 

Satria Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕

Norotiana Andriamanohy
Mpanoratra

Vehivavy tsotra iray izay nihaona tamin'i Jesosy ary niova ho voninahiny