Aza miovaova…
Nisy fotoana aho nandray olona iray ary tena feno tahotra sy vesatra ary alaelo izy ka tena namoy fo tanteraka. Nampahery azy teo aho dia hita toa niova ihany ny endriny fa vao vita ny lazaiko dia mibosesika indray izy mamerina mitanisa ny olana rehetra ary ambetin-teniny ny hoe “tsy haiko e, tsy hitako izay atao!”. Novaliako moa izy hoe efa izany omeko anao izany ny vahaolana fa mila ianao mino ary afaka ho raisinao ny valim-bavakao. “Eny e, haiko anie izany fa ilay izy ange efa tena grave be eee….” Mifantoka loatra amin’ny olana hoy aho ianao fa atsaharo izany dia mifantoha amin’ny fahalebiazan’Andriamanitra. Raha mino ianao dia hitranga izany fa miankina amin’ny hoe mino an’Andriamanitra hiasa ve ianao sa mino fa tena lehibe loatra ny olanao ka tsy afaka harenina intsony?” Tsy nety resy lahatra moa izy fa nitady vahaolana ara-nofo hatrany ka notarihiko tanaty vavaka izy. Lasa izy avy eo ary tazako tena mbola navesatra nefa moa tsy afaka ny hanery azy aho. Naka fotoana nitokana aho avy eo ary nentiko tao amin’ny Tompo ary inty ny teny azoko: “Nefa aoka hangataka amin'ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin'ny rivotra ka atopatopany. Fa aoka tsy hanampo handray zavatra amin'ny Tompo izany olona izany: olona miroa saina izy, miovaova amin'ny alehany rehetra.” Jakoba 1:6-8
Tiany an’Andriamanitra ianao tsy hiroa saina ary tena sitrapony ny hanafaka anao. Handeha atsahatra ny fanindrahindrana olana fa aoka Andriamanitra irery ihany no ho reharehanao. Tsy hoe manamaivana ny miseho fa kosa mametraka izany eo an-tongotry ny Tompo ary mamela Azy hiasa arak’izay tiany.
Isaorako ny Tompo moa fa nisafidy ny handray ihany ilay namana noresahiko io ary tafavoaka tao anatin’ny longoa izay nianjerany. Ianao koa, manaova safidy tsara anio fa mbola tsy tara akory.
Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕