• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
    • VI Vietnamese
Andro namoahana Sep 10, 2026

TENY FILAMATRA

Andro namoahana Sep 10, 2026

Madagasikara dia tany manankarena, manantena aho fa miombon-kevitra amiko ianao ny amin’izany. Manana biby sy zavamaniry tsy hita raha tsy eto amintsika isika. Nianatra manokana momba ny fizahan-tany aho ary nandritry ny fianarako dia nahatsikaritra ny harena maro misy eto aho ary tena tiako ny taniko. Tiako ihany koa ny mitsidika toerana maro, mihaona amin’ny olona ary mankafy ny tontolo sy ny karazana sakafo isaky ny faritra. Tiako koa ny mihaino ny tantaran’ny anaran-tanana ohatra, ny fombafomban-tany… Na dia tena misy ratsy aza ny lalana eto Madagasikara dia tiako ny mahita ireo sy indrindra ireo tsikin’ireo olona mifanena eny. Mahakasika ahy manokana foana ny fahatsoran’ny olona, ny maha-izy azy ny mponina ao an-tanàna, ary ny hehin'ny ankizy lavitry ny efijery sy ny tabataban'ny tanàn-dehibe. Azo antoka fa tiako ny fireneko.

Mino koa anefa aho fa tsara lavitra ny any an-danitra. Raha nahavita namorona tany tsara toa an’i Madagasikara ve Andriamanitra dia tena azoko antoka fa manana ny tsara lavitra Izy. 

Ny marina dia mila isika mahita, mikojakoja, miaro, mampahafantatra ny tanintsika. Maro ireo ministera miandraikitra ary toy izany koa ny ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. 

Amin’ny maha-zanak’Andriamanira antsika dia anjarantsika ny mitia ny fanjakan’Andriamanitra, mitarika ny olona ho ao, mampahafantatra sy manampy azy ireo hitomboan’ny fahalalany ary mamela azy hitombo sy hivelatra ka ho tonga mpianatra ihany koa. Izany mihitsy moa ny teny filamatra ato amin’ny vondrona misy antsika dia ny Jesus.net izany. 

Mamafaza amin’ny fihitaran’ny Filazantsara, aoka ianao ho vavolombelon’izany amin’ny fiainanao. Miresaha an’i Jesosy amin’ny fitiavanao ny ankohonanao, ny mpiray vodirindrina aminao ohatra…. Ataovy izay azonao atao ho Azy araky ny Kolosiana 3:23-24 hoe : “ary na inona na inona no ataonareo, dia ataovy amin'ny fo, tahaka ny ho an'ny Tompo, fa tsy ho an'olona, satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny lova ho valiny; fa manompo an'i Kristy Tompo ianareo.”

Maro ny afaka zaraiko momba an’i Madagasikara fa mihoatra lavitra noho izany ny Fanjakan’ny Raiko. Hiara-dia amiko ve ianao hanaparitaka ny Filazantsara? Afaka manomboka anio ianao, amin’ny fomba tsotra tsy maka afa-tsy segondra vitsy,  amin’ny fizaranao ny hafatra anio amin’ireo olona tianao ho tahina manokana. Ho tahiana manokana ianao!

Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕

Norotiana Andriamanohy
Mpanoratra

Vehivavy tsotra iray izay nihaona tamin'i Jesosy ary niova ho voninahiny