• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
    • VI Vietnamese
Andro namoahana Sep 11, 2026

MIJERY MIHOATRY NY TAZA-MASO

Andro namoahana Sep 11, 2026

Tato ho ato dia samy nanontany angamba isika hoe ririnina ary izao sa lohataona. Niovaova ny toetr’andro: misy fotoana tena tsara dia tampoka eo indray toa mamirifiry sy mandrivotra dia averina hanaovana indray ny akanjo mafana.

Aza adino fa ny andro rehetra izay nomen’Andriamanitra dia tsara avokoa. Tsy maninona na manorana na mafana be fa misy fitahiana foana mifanaraka amin’izany. Haintsika tsara hoe : “Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an'Andriamanitra” (Romana 8:28) Koa handeha isika hankafy sy hankasitraka an’Andriamanitra foana amin’ny fotoana rehetra.

Fa miovaova tahaka ny toetr’andro ve ny finoanao an’Andriamanitra? Afaka ny hifaly amin’ny fiainana nomen’Andriamanitra anao ve ianao? Mety hamaly ianao hoe ny zavatra atrehiko dia tsy dia tena mitondra fifaliana loatra ato am-poko. Niverina niditra ny mpianatra, lasa any daholo indray ny vola nangonina teo, niakatra koa ny vidin’entana…. ka na ireo fotsiny dia mitondra atmosfera mavesatra ao an-trano. 

Fa aza milavo lefona satria na ahoana na ahoana mitranga dia tsarovy fa vofehin’Andriamanitra ny zava-drehetra. Misafidiana hino ny Teniny rehefa milaza Izy fa hamatsy izay ilainao, rehefa ambarany fa zanany ianao ary adidiny sy andraikiny ny momba anao. 

Koa misafidiana ny hijery ny tsy hita. Ahoana tsara a? Akipio ny masonao dia sokafy ny masonao ara-panahy. Hoy ny 2 Korintianina 4:18 hoe “raha tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay.” 

Mety hoe tena sarotra ny lalovanao izao : io aretina io, io fifandraisana mitady rava io, io trosa io… fa misafidiana hijery ny tsy hita am-pinoana. Efa nomena fahefana ianao ao amin’i Kristy, manoatra noho ny mpandresy ianao amin’ny alalan’Ilay mampahery anao. Ny dian-kapoka Taminy efa nanasitrana anao, ary nampahatraina Izy mba hampanakarena anao…. Ny masom-pinoana dia tsy mievaeva fa mahita fa efa sitrana. Mahita an’Andriamanitra mamatsy manoloana io fahantrana, na tsy fahampiana na olana io. Aza mihaino an’i Satana izay mandainga aminao hoe tsy vitanao io, ny firenenao mahantra sns.. Tsia, manasa anao hifantoka amin’ny fahalebiazan’Andriamanitra fa tsy amin’ny heverinao ho fahalebizan’ny olanao.

Fenoy tenin’Andriamanitra ny fonao. 

Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕

Norotiana Andriamanohy
Mpanoratra

Vehivavy tsotra iray izay nihaona tamin'i Jesosy ary niova ho voninahiny