MAINA SY MANGETANA
Niresaka momba ny fahatapahan’ny herinaratra isika ary tsy afaka hodiana tsy hita ireo fahatapana lavareny misy amin’ny resaka rano. Ny rano ohatra dia fiainana ary fototra ilaina amin’ny fiainana andavan’andro. Inoako fa manao izay azony atao ny fanjakana sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny.
Tsy afaka hiaina anaty fahamainana mandritry ny andro maro isika. Mila rano hisasana na handrahoina sakafo. Inoako fa efa nisy fotoana ianao tena nangetaheta ary maina ny tendanao ka mitarika fahasemporana mandra-pisotroanao rano.
Toy izany no ambaran’i Davida ao amin’ny Salamo 63:1 “ANDRIAMANITRA ô, Andriamanitro Hianao; mitady Anao fatratra aho; mangetaheta Anao ny fanahiko, maniry Anao ny nofoko, eto amin'ny tany maina sy mangentana tsy misy rano”
Aza handrasana ho maina ny fanahinao. Tondrao amin’ny Tenin’Andriamanitra isan’andro izany. Tahaka ny fivezivezentsika mitady rano ka vonona hanefa izay vidiny aloha satria ho faty ihany raha tsy misy rano, dia mihoatra lavitra noho izany no tokony ataontsika amin’ny fanahintsika.
Ny rano ampiasaintsika aza moa tena vidiana lafo indraindray nefa ange ny tenin’Andriamanitra, ilay ranovelona dia maimaim-poana ee…. Ary raha miresaka rano isika dia tsaroana ilay andininy malaza ao amin’ny Jaona 4:14 manao hoe “fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay.” Ny rano dia ampiasaina ho fanoharana hilazana ny Fanahy Masina ao amin'ny Baiboly. Koa raha maniry ianao dia Andriamanitra anie hameno anao araky ny Apokalypsy 21:6 hoe “...Izaho hanome maimaimpoana amin'ny loharanon'ny ranon'aina ho an'izay mangetaheta”
Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕