• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
    • VI Vietnamese
Andro namoahana Sep 8, 2026

TAPAKA NY JIRO

Andro namoahana Sep 8, 2026

Tapaka indray ny jiro. Lasa toa mahazatra ny maheno ilay feon’ilay batery milaza fa tapaka ny herinaratra. Mety maharitra minitra vitsy izany na ora mihitsy no isaina…Dia miandry ianao….am-pitoniana na tsia 😐

Fa tena manaitra ny saiko koa hoe tahaka ny ahoana ny fihetsintsika rehefa tapaka ny fifandraisana amin’Andriamanitra?Nisy fotoana aho dia nanao vavaka fohy sy maimaika satria tara aho na kamo. Ny tranga taty aoriana no nitarika ahy hifantoka amin’ny fomba fifandraisako amin’Andriamanitra anaty vavaka. Nahatsiaro foana aho, tahaka ireny olona mitsangana tampoka dia fanina ireny…..aaahhh, azonao ve?

Nisy zavatra natrehiko tao am-piasana dia ny tiako natao dia ny hatory satria nihevitra aho fa rehefa mifoha aho dia milamina io. Diso!!! Mbola teo ilay olana.. sy ny aretin’andohako.

“Andriamanitra a, hitanao ny lalovako eeee…fa ahoana aaaa….” Tsy nisy valiny. Nandritry ny andro maromaro dia nidongy tamin’ny Tompo aho satria hoe tsy nohenoiny. Kay aho tsy tonga saina fa tapaka ny fifandraisana ary tsy nisy hafatra afaka niampita… Tsy menomenona na fidongiana ny handraisana valim-bavaka tokoa fa ….vavaka 🙏

Hoy ny Jaona 15:5 hoe Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona. Na inona na inona! Nila nanatsatoka ny herinaratro aho ao amin’ny Fanahy Masina ahazoako vokatra indray.

Ry namako, Andriamanitra dia efa nanefa ny anjarany, Isika no mila mifandray Aminy anaty vavaka satria raha misaraka Aminy isika dia tsy mahay na inona na inona….

Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕

Norotiana Andriamanohy
Mpanoratra

Vehivavy tsotra iray izay nihaona tamin'i Jesosy ary niova ho voninahiny