• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
    • VI Vietnamese
Andro namoahana Sep 7, 2026

IZANY MIHITSY ISIKA

Andro namoahana Sep 7, 2026

Rehefa mahafantatra olona manam-pahefana isika dia tintsika hoe fantatry ny olona hafa koa fa mahalala azy isika 😄 Ohatra hoe fantatrao ny Filoha na mpanao sarimihetsika iray dia tena asehoseho mihitsy sa ahoana? Mampihomehy ihany satria tato ho ato izao dia nisy ireny “Badge super fan” ireny ao amin’ny Facebook fa faly ery isika mamoaka izany…. Rehefa misy zavatra mitranga ohatra dia tonga dia hoe : “Fantatro i anona sy anona… tandremo mikitika ahy fa fantatro tsara ny Procureur, i Kaomisera, sns… misy tia misekoseko ny olona 😆

Ary ianao? Inona no ataonao voalohany rehefa misy zavatra mitranga? Iza no antsoinao voalohany?  Ilay Lehibe indrindra velona anatinao ve sa iza? Mirehareha ve ianao fa fantatrao Izy ary antsoina hoe Zanak’Andriamanitra ianao sa indraindray ihany …"Endrey! manao ahoana ny fitiavana nasehon'ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak'Andriamanitra, sady izany tokoa isika!" (1 Jaona 3:1)

Handeha hifikitra amin’ny ankohonantsika any an-danitra. Handeha hampahafantarintsika fa zanak’Ilay Avo indrindra isika. Aleloia!

Izaho manokana dia tia ireny akanjo manambara ny maha-izaho ahy ao amin’Andriamanitra ireny. Ohatra hoe mividy kavina na rojo misy hazo fijaliana dia mampatsiahy ahy ny fifandraisako Aminy sy ny niaretany ho ahy. Rehefa hitan’ny olona izany dia mitarika resaka matetika ary ahafahako mitory Filazantsara, izay antom-pisiako. "Ny Fanahy dia miara-milaza amin'ny fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika." (Romana 8:16). Ary amin’ny maha-zanaka mpankato antsika dia manao izay asain’ny Raintsika atao isika, sa tsy izany?

Ka handeha hirehareha hoe iza isika. Ambarao sy zarao izany satria “  …izany tokoa isika!" (1 Jaona 3:1)

Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕

Norotiana Andriamanohy
Mpanoratra

Vehivavy tsotra iray izay nihaona tamin'i Jesosy ary niova ho voninahiny