Talita Komy
Anisan’ny tantara mahafinaritra ao anaty Baiboly ny ao amin’ny Marka 5. Misy ilay lehilahy nisy fanahy maloto amin’ny tapany voalohany fa anio dia ilay tantaran’ny zanaka vavin’i Jairo, ilay mpanapaka ao amin’ny synagoga no ho resahintsika.
Tanatin’ny fotoana tena azo lazaina hoe nampalaza an’i Jesosy io ary tanaty asa tanteraka Izy. Niangavy fatratra Azy moa i Jairo hanasitrana an-janany ary lasa nandeha tany Jesosy. Teny an-dalana moa dia nisy olona tonga nampilaza hoe aza manakotaba ny mpampianatra ianao fa efa maty ny zanakao. Azoko an-tsaina be ny mety ho tsapan’ilay raim-pianakaviana fa nefa hoy mihitsy ny Baiboly hoe : “Fa tsy nahoan'i Jesosy izany teny nataony izany, fa hoy Izy tamin'ilay mpanapaka ny synagoga: Aza matahotra, minoa fotsiny ihany” (And 36)
Teboka iray afaka raisintsika izao eto hoe ny olona mety manana ny filazany fa Jesosy kosa dia Ilay manome toky hatrany fa tsy misy tokony hatahorana na kely aza.
Dia niditra moa i Jesosy ary nahita ireo olona nitabataba sy nigogogogo dia nanontany hoe “Nahoana ianareo no mitabataba sy mitomany? Tsy maty razazavavy, fa matory” (And 39) Dia nihomehezan’ny olona moa Izy - iny koa izany mba nahavariana ahy eo am-pamakiana hoe mitomany fa maty ilay zazavavy dia rehefa lazaina vaovao tsara dia hihomehezana indray - fa tsy any aloha no hisintomana antsika anio. Navoakan’i Jesosy moa ny olona ary hoy Izy tamin’ilay zazavavy hoe Talita Komy (Marka 5:41) dia niaraka tamin’izay dia nitsangana izy!!! Wooowww!!!! Tsy nihomehy intsony aloha ny olona teto fa tena talanjona indrindra (and 42).
Anio koa re, aza mihaino ny lazain’ny olona fa Jesosy irery ihany no manana ny teny farany. Jesosy hampisy “Talita Komy” eo amin’ny fiainanao izay efa neverinao fa maty, izay efa nolazain’ny olona fa tsy misy hevitra intsony. Tononiko izany ho aminao amin’ny anaran’i Jesosy Kristy.
Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕