• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
    • VI Vietnamese
Andro namoahana Okt 24, 2026

Fanamby

Andro namoahana Okt 24, 2026

Inona no ahafantaran’ny olona anao kay? Izaho izao ohatra dia hoe botabota kely 😄, tia misakafo 😋 ary vadina Pasitera 🙏. Afaka mba milaza eo ambany eo ve ianao famaritana 3 ahafantaran’ny olona anao? Enga anie tsy isika ato no fantatra amin’ny hoe ra-be kizitina, maka volan’olona, miteny ratsy…. sanatria anie izany!

Hoy ny Matio 7:20 hoe “Ka dia ny voany no hahafantaranareo azy.”  

Rehefa misy hazo mifanakaiky mitovitovy eo dia ny hanavahana azy dia ny voa avy aminy. Mora fantatra izy vao mivoaka ny voany. 

Ianao ve fantatra hoe kristianina ohatra?  Inona no tena hanavahana anao amin’izay maha-kristianina anao izay? Ny akanjo hanaovanao ve sa ny firesakao mandambolambo be feno tenin’Andriamanitra… Ataoko tsy ratsy izany fa ny tena ahalalana fa izy ianao dia voafehin’ity nambaran’i Jesosy ity hoe : “Izany no hahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia.” Jaona 13:35  

Mampalaelo ankehitriny fa ny samy kristianina no mifanenjika, mifanaratsy sy lasa mifampizarazara. Marina fa samy manana ny fotompampianarany fa tsy hita taratra intsony matetika ny vokatry ny Fanahy ao amin’ny Galatiana 5:22 izay miantomboka amin’ny Fitiavana. Rehefa tia ianao tsy manaratsy, rehefa tia ianao tsy manenjika ny hafa indrindra ireo mitory an’i Jesosy Kristy, rehetra tia ianao tsy mamboly fizarazarana anatin’ny fon’ny olona…

Aoka ny voa, ny teny am-bavanao, ny fihetsikao, ny ataonao no hahafantarana fa mpianatry ny Tompo ianao, mpanara-dia Azy. Ataontsika mpanaraka ny fahagagana isan’andro ho fanamby manomboka eto ve izany? 

Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕

Norotiana Andriamanohy
Mpanoratra

Vehivavy tsotra iray izay nihaona tamin'i Jesosy ary niova ho voninahiny