Manaraka azy…🐑
Ny olona hifandraisanao akaiky dia fantatrao tsara ny tiany, ny fombafombany, ny zavatra tsy tiany ihany koa ary na tsy eo anoloanao aza izy dia hainao tsara ny feony. Marina izany e?
Dia ambonin’izay dia hoy Jesosy hoe “Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy” Jaona 10:27
Hainao ve ny feon’i Jesosy? Maro ny olona miteny hoe tsy mahare Azy izany aho, manao ahoana izany feony izany, tena miteny ve Izy? Iee, miteny Izy amin’ny alalan’ny Teniny ao anaty Baiboly. Ianao raha miteny ohatra dia ianao ihany iny fa tsy hoe olona hafa ny vatanao, dia olon-kafa ilay miteny. Dia tahak’izay. Miresaka voalohany indrindra ao amin’ny Teniny Izy ary ao ianao izany afaka mandray ny valim-panontanianao. Rehefa manomboka mifankazatra Aminy kosa ianao dia manomboka mandre bitsika anatinao ary hain’ny fanahinao tsara fa Izy izay miresaka aminao izay satria mitondra fiadanana, fahatokiana ary fientanentanana. Ny feo mitondra ankoatr’izay dia tsy izy.
Ondriny ve ianao ary? Henoy ny feony. Araho izay asainy ataonao. Ankatoavy izay lazainy. Fantany tsara ianao fa ny ondriko hoy Izy manaraka Azy. Raha mbola ny sitrapontsika foana no ataontsika, raha mbola izay tiantsika foana dia tsy mbola “ondriny” isika. Ny ondry rehefa mandre ny feon’ny mpiandry azy tonga dia manaraka, mihazakazaka mankeo izy ireo ary na aiza hitarihana azy dia tsy miala lavitra izy ireo. Mihoatra lavitra noho izany isika miaraka amin’ny Mpiandry ondry tsara antsika.
Anio ary dia handeha isika hihaino ny feony - hitrandraka izay lazainy ao amin’ny Baiboly - hanamafy ny fifandraisana Aminy isan’andro ary hanaraka Azy.
Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕