NALAINA AVY LAVITRA…
Satria moa aho dia hiresaka aminao eto isan’andro dia inoako fa mety raha mba hizarako ny sombin-tantarako ianao, sy indrindra ny diako miaraka amin’i Jesosy.
Voalohany indrindra dia manambady aho, Pasitera izy ary nomen’Andriamanitra zazalahy mahafatifaty izahay : Jude no anarany. Mety handre momba azy ireo ianao tsindraindray 🙂
Mialohan’ny nandraisako an’i Jesosy Kristy ho Tompo sy Mpamonjy ny fiainako dia nandalo sedra sy ady maro aho. Ny taona 1999 dia tratry ny AVC i Neny. Maro ny fiala-nenina natao ary nivezivezy teny amin’ny hopitaly izahay kanefa dia lasa ihany izy : ny andron’ny fetin’ny Reny 🥺. Nivavaka izahay ary nisy fotoana tena nifanarahana mihitsy aza moa hoe hitondrana am-bavaka azy isan’andro fa dia izay moa… Nalaelo no sorena sy tezitra tamin’Andriamanitra aho. Nanohitra tanteraka izay rehetra niresaka fivavahana tamiko.
Ankoatr’izay dia narary lava aho ary nila nihinana fanafody hampitoniana ny foko. Niaraka tamin’ny olona nanararaotra ahy tamin’ny fomba rehetra aho ary nahatsiaro very, sy tena kivy tanteraka.
10 taona taty aoriana - 10 taona be izao - vao niverina am-piangonana aho ary nanolotra ny amiko rehetra ho an’Andriamanitra, taorian’ny aretina izay tena saika nahafaty ahy. Misaotra manokana ny namako aho izay tsy namotsitra ahy mihitsy ary nivavaka ho ahy foana. Notarihiny aho ahalala ilay tena Fitiavana ka hanova ahy avy amin’ny ratsy ho amin’ny Voninahitra: Jesosy Kristy. Raha tsy teo io namako io dia inoako marimarina fa tsy manoratra ho anao eto aho anio. Maro ny fijoroana vavolombelona fa zaraiko aminao amin’ny fotoana mety izany…
Mety mandalo zavatra koa ianao amin’izao fotoana izao fa mahereza dia atolory an’i Kristy ny fiainanao. Izy hiady ho anao! Manasa anao aho hiaraka hisaintsaina amiko ity andini-tsoratra masina ity : "Ary Jehovah no mandeha eo alohanao; ary Izy no hiaraka aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy; koa aza matahotra na mivadi-po ianao." (Deotoronomia 31:8)
Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕