ANIO ILAY ANDRO
“Ny inona? Niandry valiny aho fa mbola tsy naharay hatramin’ny nandefasako ny mailako” Nampahery olona aho indray andro ary tena kivy sy saika hamotsitra mihitsy tamin’izay. Niandry valin’ny asa izy ary nanomboka kivy… Kanefa dia nandre ireo teny ireo foana aho tato anatiko hoe “ Anio ilay andro…”
Efa nandalovako io toerana io ary imbetsaka: nanantena fiovana aho, valiny mazava na farafaharatsiny famantarana kely….fa tsy nisy. Fomba fijeriko anefa izay, mandra-pahatakarako fa ny valiny dia efa natolotra ahy ka satria aho tezitra sy sorena dia tsy hitako akory izany. Taiza? Tao anatiko!!! Ahoana tsara?...eo fa azavaiko anao.
Hoy Andriamanitra “Fa na firy na firy ny teny fikasan'Andriamanitra, dia ao aminy ny eny, ary amin'ny alalany koa ny Amena, ho voninahitr'Andriamanitra amin'ny ataonay.” (2 Korintiana 1:20)
Ka mbola tsy naharay na inona na inona aho Norotiana a! Eto ny teboka: efa nomeny ny Teniny ianao - efa vita ny anjarany - ary andraikitsika kosa ny MINO sy MIHETSIKA arak’izay handraisana valim-bavaka.
Koa atsaharo ny ahiahy dia inoy sy mifalia fa hoy ihany Izy hoe : "Ary miravoravoa amin'i Jehovah ianao, dia homeny anao izay irin'ny fonao." (Salamo 37:4).
Koa mifalia sy mitonia fa efa ENY sy AMEN ny valiny. Aleloia! Avelao fotsiny ny Fanahy Masina hitarika anao ho amin’ny valim-bavakao.
Koa araky ny nambarako taminao dia ANIO ilay andro. Efa eo ny valiny, manomboha mahita amin’ny masonao ara-panahy. Misaotra an’Andriamanitra fa ho hitanao fa hilamina ny zava-drehetra. Safidy ny fiainana ary mampahery anao aho hisafidy ny hifaly anio sy amin’ny andro sisa rehetra.
Satria : “Ity no andro nataon'i Jehovah; Hifaly sy ho ravoravo amin'izao isika.” (Salamo 118:24)
Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕