• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
    • VI Vietnamese
Andro namoahana Sep 4, 2026

NAHOANA MOA NO TOKONY HO ANY AM-PIANGONANA IANAO?

Andro namoahana Sep 4, 2026

Rehefa avy nandray an’i Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy ny fiainako aho dia tsy hoe tonga dia niova be akory. Narefo aho ary nila nianatra tsikelikely. 

Maro ireo fanontaniana nibosesika tao an-dohako sady naniry ny ahalala misimisy momba ny fitiavan’i Jesosy aho. Nahoana tokoa moa hoe mpanjaka lehibe toa Azy hitia olona toa ahy? Tsy hoe mpanakarem-be aho, very fahatokisan-tena tanteraka ary taizan’aretina. Tsaroako izaho mihitsy ilay naneso ny olona nandeha nivavaka hoe lany andro any fotsiny sady lasan’ny pasitera any ny vola. Tena mahay manova olona ny Tompo. 

Satria dia tsapako ilay fitiavany ny andro nandraisako azy. Tsy haiko hazavaina fa nijoro aho ary tamin’ny foko sy an-dranomaso no nanolorako ny fiainako ho Azy. Leo ny nanodidina ahy aho ary tiko natsahatra daholo izany…teo an-tongony. Tamin’io andro io dia tsy hoe tonga dia nazava tamiko daholo ny rehetra fa kosa tsapako hoe hihatsara. Taona maro tao aorian’ny nahalasa an’i Neny dia nanokatra Baiboly indray aho ary notarihin’ny Fanahy teo amin’ny Isaia 43 mitondra ny lohateny hoe: “Ny hamindran'i Jehovah fo amin'ny Isiraely, sy ny hampodiany azy avy amin'ny fahababoana, ary ny hampidinany ny Fanahiny.”

Azonao an-tsaina ve ny mety tsapako tamin’io fotoana io? Tia anao amin’ny maha-ianao anao Izy ary aza misalasala akory matoky Azy. Atolotro manokana ho anao ity andininy ity : “Fa ankehitriny, (ataovy eto ny anaranao), izao no lazain'i Jehovah, Izay nahary anao sady namorona anao, (ataovy eto ny anaranao): Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho; Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy ianao.” (Andininy 1)

Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕

Norotiana Andriamanohy
Mpanoratra

Vehivavy tsotra iray izay nihaona tamin'i Jesosy ary niova ho voninahiny