ILAY IANAO VAOVAO
Eo amin’ny fanarahana an’i Jesosy dia misy fotoana ianao manana fanontaniana maro kanefa tsy ahazoanao valiny mazava. Miresaka aminao ve izany? 😉 Amin’ny voalohany dia te hanova izao tontolo izao ianao, hiresaka momba an’i Jesosy foana ary tezitra kely mihitsy rehefa misy manakiana…hahahaha
Fa tahaka ny zaza vao teraka dia mila mianatra ary manaiky ho ampianarina. Izay no tena izy fa izaho ohatra dia nentiko niditra tao amin’io fiainam-baovao io ny momba ahy taloha ary nihevitra aho fa haiko ny zava-drehetra ka nila valiny mazava be aho. Rehefa nolazaina ahy ohatra hoe am-pinoana dia afaka mamindra tendrombohitra ianao dia nila porofo aho… mihomehy aho milaza izany fa ahoana tokoa moa raha iny nifindra any an-dranomasina ny tendrombohitr’Ankaratra?😂
Niezaka be tamin’ny fisainako aho mandra-pahatakarako ny atao hoe “nateraka indray” tamin’ny alalan’ity andininy ity hoe : "Koa raha misy olona ao amin'i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo." (2 Korintiana 5:17)
-
Tsy misy lasa intsony ianao, ireo fahotanao taloha dia nofafany, nohadinoiny tanteraka.
-
Tahaka ny zaza vao teraka ianao miaraka amin’ny fiantombohana vaovao.
-
Mijery anao tahaka ny hijereny an’i Jesosy Andriamanitra.
Ny olona mety mahita anao sy mahalala anao tahaka ny teo aloha fa ianao kosa efa lasa olom-baovao ao amin’i Kristy. Wowww! Nila namotsitra ilay “izaho taloha” aho, izay efa tsy nisy intsony ny segondra nandraisako an’i Jesosy tato anatiko.
Velona ao anatinao Jesosy araky ny famaritana anisany tiako nataon’i Paoly ao amin’ny Galatiana 2:20 hoe "...ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko;..."
Tiany manokana ianao.
Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕