"MORA AZO, EO FOANA"
Nisy fotoana aho dia niezaka niantso olona iray fa tsy tratra antso foana izy… na nikikitra teo aza aho niaraka tamin’ny fahasorenako dia tsy azoko ilay olona. Nimenomenona teo aho hoe ratsy koa angamba ny “réseau” any, simba koa angamba ny telephone-ny ….efa niaina an’izany ianao e?
Dia lasa aloha aho naka bus dia novaiko arak’izay ny fandaharam-potoanako. Mbola nitohy nimonomonona teo aho hany ka na ilay olona niaraka tamiko aza hitako hoe tsy nahazo aina. Dia teo no niasa ny Fanahy Masina tamin’ny fombany 🥹. Novain’ilay mpamily tampoka ny onjampeo dia nazava tsara ny nolazain’ilay mpanentana hoe : “raha misy mampanahy anao dia Andriamanitra aloha antsoina voalohany!” ha ha ha…..
Azonao an-tsaina ve hoe sady voakasika aho, no nisento ary menatra ihany koa? Nakipiko mora ny masoko dia nifona tamin’Andriamanitra aho noho ny tsy fahendreko, ny tsy faharetako. Io tranga io dia nanosika ahy hametraka laharam-pahamehana amin’ny ataoko indray. Mametraka an’Andriamanitra ho voalohany, miantso Azy aloha raha misy ilaiko satria tokoa dia hoy Izy hoe "Antsoy Aho, dia hovaliako ianao…” (Jeremia 33:3)
Ianao koa, antsoy Izy. Mora azo sady eo foana amin’ny fotoana rehetra. Na aiza na aiza misy anao dia tsy mila fomba fomba Izy fa ny hany ilainy dia ny fonao. Resao Izy na anaty tohamboivoy, eny an-tsena, ao amin’ny douche…. fa hamaly anao foana Izy.
Misavorovoro izao tontolo izao ary anisan’izany Madagasikara fa mipetraka foana ny maha-samihafa ireo izay miantso an’Andriamanitra marina tokoa sy ireo izay misafidy ny handà Azy. Tsy hoe tsy misy ny olana hatrehina fa marina loatra ny teny hoe “Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina.” (Exodosy 14:14). Ka na inona na inona atrehinao dia antsoy fotsiny Izy satria Izy Ilay mpamonjy mora azo indrindra (Salamo 46:1).
Manasa anao aho hiara-hivavaka amiko : “ Tompo o, adinoko matetika ny mametraka anao ho voalohany. Misaotra mampatsiahy ahy anio fa mora azo Ianao ary eo foana ho ahy. Mihaino ahy Ianao ary mamaly ahy. Misaotra Jesosy namela ahy hifandray amin’ny Ray. Apetrako am-pelatananao ny zava-drehetra dia aoka hasandratra ny Anaranao. Amin’ny anaran’i Jesosy no hanaovako izany vavaka izany. Amena”
Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕