• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
    • VI Vietnamese
Andro namoahana Okt 20, 2026

Midira amin’ny fifalian’ny Tomponao

Andro namoahana Okt 20, 2026

Raha anio ny andro hihaonanao amin’ny Tompo dia inona no ho lazainao Azy? Vonona ve ianao handre ireo ho lazaina momba anao koa? Azonao antoka ve hoe aiza no handanianao ny mandrakizay anao? 

Raha tena kristianina miorina tsara ao amin’ny Tompo dia tsy tokony hatahotra velively ny fahafatesana  satria dingana tsy maintsy ho lalovana iny. Fantatrao fa olona mandalo ianao no eto ary misy iraka nasaina ataonao. Nohariana ianao satria misy antony ny fisianao. Tsy hoe teraka dia misakafo mianatra dia manambady dia miasa dia miteraka indray ohatra fa lehibe kokoa noho izany. Mety amin’ny endriny maro io fa ny fototra hijoroana dia iray ihany : mampahalala an’i Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy. 

Hoy i Paoly ao amin’ny Asan’ny Apostoly 26:16-18 hoe raha nanazava ny iraka nampanaovin’i Jesosy Kristy azy teo anoloan’ny mpanjaka Agripa izy “Fa mitsangàna, ka mijoroa amin'ny tongotrao; fa izao no nisehoako taminao, dia ny hanendry anao ho mpanompo sy ho vavolombelona ny amin'izay efa nahitanao Ahy sy izay hisehoako aminao, hamonjy anao amin'ny olona Isiraely sy ny jentilisa, izay anirahako anao, hampahiratra ny masony hialany amin'ny maizina ho amin'ny mazava, ary amin'ny fahefan'i Satana ho amin'Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka sy lova eo amin'izay nohamasinina noho ny finoana Ahy.”

Ary ianao, efa naka fotoana ve ianao nisaintsaina ny irakao?  Fantaro fa rehefa eo anoloan’ny Tompo isika tsirairay indray andro any dia tsy hanontany anao ny isan’ny tranonao izy, na ny fiaranao, na ny vola ao amin’ny kaontinao fa hoe : “vitanao ve ny nanirahana anao”. Tsy natokana ho an’ny mompera, na pasitera irery ihany izany fa isika tsirairay dia hananan’Andriamanitra tanjona ny nohariany antsika. Koa aza variana amin’ny rehaky izao tontolo izao, tanteraho ny asainy ataonao ka ho ianao ilay handre Azy hiteny hoe : “Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin'ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin'ny fifalian'ny tomponao.” Matio 25:21

 Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕

Norotiana Andriamanohy
Mpanoratra

Vehivavy tsotra iray izay nihaona tamin'i Jesosy ary niova ho voninahiny