Mankatoa ny Teny
Mbola anatin’ny lohahevitra mifantoka amin’ny famelan-keloka ihany isika fa anio dia notarihin’ny Fanahy Masina amin’ity andininy ity hoe “Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin'ny olona rehetra.” Romana 12:18
Firy tamintsika izao no namaly, rehefa avy namaky io teny io hoe : “ raha azo atao izany….!!!” ?
Natsoin’Andriamanitra isika hihavana amin’ny olona rehetra. Haneho ampahibemaso ny vokatry ny Fanahy voalaza ao amin’ny Galatiana 5:22 ary ho ohatra tsara eny amin’ny fiaraha-monina. Haintsika tsara koa anefa fa eny amin’io fiaraha-monina resahina io dia misy karazan’olona na toe-javatra tena tsy ahafahantsika maneho izay endrika fihavanana izay.
Tsy avelany hamaly ratsy ny ratsy isika (vakio and 21). Fa iza aza no afaka tsy “hihavanana” raha izany?
“Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin'ny tsy mino. Fa inona no iraisan'ny fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no iombonanan'ny mazava sy ny maizina? Ary inona no ifanarahan'i Kristy sy Beliala? Ary inona no iraisan'ny anjaran'ny mino sy ny tsy mino?” 2 Korintiana 6:14-15
Raha mijery ny dikan’ny Beliala isika dia avy amin’ny teny hebreo milaza hoe “tsy misy soa", "tsy manaja", "tsy manjary” . Ireo izay manompo sampy na manao zavatra tsy mendrika na manimbazimba ny anaran’Andriamanitra. Ny toy izany no tsy afaka “hihavanana” na hifampotakosinana fa ny afaka atao dia mitondra am-bavaka azy ireo ahalalany an’i Kristy. Ny ankoatr’izay tsy azo atao.
Koa anio handeha ampihatra izany teny izany isika eo amin’ny lafim-piainantsika iray manontolo.
Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕