Madio am-po đź’ź
Niresaka momba ny famelan-keloka isika dia anio hitohy kely amin’izay ihany.
Tamin’ny fahazazana ara-panahy dia noraisiko ho fialan-tsiny amin’ny fotoana aho sendra tezitra iny ny tapany voalohany amin’ity andininy ity hoe “Tezera, fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo”. Efesiana 4:26
Ohatrany nijanona teo amin’iny ny ahy tamin’izany hoe mahazo tezitra aho izany e! Fa tsy nomeko tombam-bidy loatra ilay tohiny hoe aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika…. Soa fa be famindram-po ny Tompo, sa tsy izany?
Masoandro milentika impiry tokoa izay? Ka izy ange nanao an’izao eee….. tsy azonao mihitsy Norotiana aaa….. izaho aloha raha iny tsy hamelako eeee… Heyyy!!! Avotsory izany dia diovy ny fonao. Na inona nataon’ny olona anao, na tahaka ny ahoana ny habeany, ny sakany, ny halavany… dia anio aho asain’ny Tompo milaza aminao hoe : Avotsory izany. Ho anao fa tsy ho azy. Diovy ny fonao. “Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an'Andriamanitra” Matio 5:8
Raha tonga eny amin’ny rahon’ny lanitra Jesosy anio haka ireo mino Azy, madio ve ny fonao afaka hahita Azy? Koa manasa anao aho, aza avela olona - na andian’olona - no hamotsoranao ny mandrakizay anao.
Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕