Fitsaharana
Ianao ve nisy fotoana te hisakafo ara-pahasalama be dia avy eo nefa lasa nihinana zavatra hafa indray? Dia feno fanenenana sy fanamelohan-tena be ao anaty. Dia miteny hoe manomboka rahampitso dia izao sy izao no ataoko, hanana fifehezan-tena aho… fa e e e, ampitso lava.
Efa nolalovako ary lalovako tsindraindray io fiovaovana io. Ary tena miteraka ady aty anatiko mihitsy. Feo marobe matetika no mibosesika hoe ataovy izao, vitao ito, atero itsy…. ary tena tsy misy fitsaharana mihitsy. Kanefa dia hoe ny Isaia 26:3 “Ny saina tsy miovaova dia harovanao ao amin'ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy.”
Tsy misy fitsaharana mihitsy rehefa tsy manana antoky ny ampitso ianao. Ny saintsika, ny momba antsika manontolo dia tokony hafantontsika amin’i Jesosy irery ihany fa tsy hoe rehefa mety ny atao dia adinodino Izy ary tsaroana indray rehefa misy olana lalovana. Amin’ny fotoana rehetra, na inona na inona mitranga dia tsy tokony hiovaova ny fisainantsika. Tsy tokony ho voafetran’ny toetr’andro na ny ara-bola na ny politika na ny ekonomia ny finoantsika.
Fiadanana tanteraka ho an’ny olona tsy miovaova ary tononiko ho aminao izany satria matoky Azy ianao.
Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕