KARAPANONDRO VAOVAO
Amin’izao fotoana izao dia mangataka ny mponina eto Madagasikara ny governemanta hanova ny karapanondro ho biometrika. Am-bolana maro dia nilahatra teny amin’ny fokontany ny olona nandritry ny ora maromaro. Ary rehefa niha-nanakaiky ny fotoana farany dia henika tanteraka ireo birao. Ary ny olona dia tia miandry io fotoana farany io foana matetika..miampy ireo faha-elan’ny fikirakirana dia eo koa ny olana ara-teknika toa ny ranomainty lany, ny fikatsoan’ny solosaina, ny fahasiahan’ireo mpiasa sy ny kolikoly maro…..efa vita ve aloha ny anao e?😀
Tonga an-tsaiko teo ny hoe mila hainao koa iza ianao ao amin’i Kristy. Zava-dehibe aminao ve hoe voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana ny anaranao? Mihazakazaka ve ianao ho ao sy indrindra hijanona ao? Maro ny kristianina no mieritreritra fa ampy ny mandray an’i Jesosy fa mila kojakojaintsika io fifandraisana io, ary indrindra hitoetra tsy ho voahonzongozona ao satria ny devoly dia mierona manodidina mitady izay ho harapany. (1 Petera 5:8)
Aza manaiky ho rebirebena. Mifantoha amin’ny antsonao sy ny mandrakizay anao.
Maro ny olona miverin-dalana satria maro ny ady, sedra, sns …izay atrehiny kanefa izy tsy niorina tsara. Ary ny forongon’ny devoly dia tena masiaka mody malemy ivelany ary mampiseho anao zavatra maro tsy hifantohana amin’i Jesosy irery ka hamandrika anao.
Fantaro ary azòny ny maha-ianao anao ao amin’i Kristy: Zanak’Andriamanitra ianao! Ataovy izay azonao atao hanehoana Azy ety. "Mahonòna tena, miambena; fa ny devoly fahavalonao mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany" (1 Petera 5:8). Aza miandry ny minitra farany. Ataovy izay asainy ataonao, mifantoha tsara.
Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕