đź“–Hitana ny Teniny ve Andriamanitra?

“…Efa nofidiko ianao ka tsy mba hariako…mampahery anao Aho sady mamonjy anao; Eny, mitantana anao amin'ny tanana ankavanan'ny fahamarinako Aho.” (nalaina tao amin’ny Isaia 41:9-10)
Efa impiry ianao no namaky an’io teny io? Ary mifanaraka amin'ny zavatra iainanao amin'izao fotoana izao ve izany? Tsapanao ve fa mampahery anao sy manampy anao Andriamanitra amin’izao fotoana izao? Ary miaro anao ve Izy?
Sa mahatsapa ianao fa manadino anao Andriamanitra? Ny zavatra iainanao dia mifanohitra tanteraka amin’izay nampanantenainy anao amin’ity andininy ity? Ny ohatra tsara indrindra momba ny finoana dia ny an’i Abrahama:Â
“Ary na dia efa tsy nisy fanantenana aza, dia nanantena ihany izy ka nino, mba ho rain'ny firenena maro; araka ny voalaza hoe: “Ho tahaka izany ny taranakao” (Romana 4:18).
Mora tokoa, raha araky ny fomba fijerintsika, ny mamaky fa nino i Abrahama... ka dia tanteraka ny teny fikasan’Andriamanitra. Efa nilaza izany taminy tokoa Andriamanitra.
Tsy fantatro izay nolazain’Andriamanitra momba anao, fa aoka horaisintsika ny fampanantenana rehetra ao amin’ny Baiboly, toy ilay ao amin’ny Isaia 41:10 “Mampahery anao Aho sady mamonjy anao; Eny, mitantana anao amin'ny tanana ankavanan'ny fahamarinako Aho.”
Enga anie ianao mba hanao toa an’i Abrahama, izay niteny anakampo hoe: “Tsy mahatsikaritra na inona na inona aho ankehitriny, fa mbola hino ihany aho, tsy ho very ny fanantenako na tsy misy azo antenaina intsony aza.”
Fanamby lehibe tokoa izany, sa tsy izany? Te hankahery anao aho hahavita izany fanamby izany ary hino bebe kokoa noho ny hatramin’izay. Satria izay nampanantenain’Andriamanitra dia ataony!Â
“ary tsy niahanahana ny amin'ny teny fikasan'Andriamanitra tamin'ny tsi-finoana izy, fa nampaherezin'ny finoana ka nanome voninahitra an'Andriamanitra ary natoky indrindra fa izay nolazainy dia hainy hatao koa.” (Romana 4:20-21)
Mijery akaiky ny fonao Andriamanitra... sy ny fahagaganao!
Fahagagana ianao!

