• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jol 5, 2025

Tsy ho tanteraka izany!

Andro namoahana Jol 5, 2025

Ho anao anio izany. 

Mahalana Andriamanitra no niresaka tamiko mivantana sy mazava be! Ary mazava ho azy, nametraka fisalasalana tamin’ny zavatra nolazainy tamiko aho, haha! Izaho rahateo dia olombelona ihany!

Mamela ahy ianao hitantara aminao fohifohy ny zavatra nitranga. Tao aorian’ny fivoriana mavesatra natrehiko, dia nivoaka kely aho mba haka rivotra - ary tsy hafeniko fa sady nitomany aho satria nahakivy tanteraka ahy ilay resaka tao. Raha fintinina dia ny fikasana tato am-poko mba hizara fitahiana dia nohamavoina sy nambanina tanteraka. 

Eny, mahazo ahy koa izany. Ary saika hilavo lefona aho sady nilaza hoe: “Aleo ajanona daholo, ary hofoanana ilay hevitra!”

Tamin’ny farany, araky ny fahafantaranao ny toetrako dia naleoko nivoaka, napetako ny “ecouteur” ary nidera an’Andriamanitra aho. Eny, nidera an’Andriamanitra an-dranomaso aho. Niampita ny renirano Le Rhin aho, nandeha tamin’ny ilay tetezana tiako indrindra, ary teo aho dia nahita mpanjono manipy ny tadiny tamin’ny filetehan’ny masoandro. 

Rehefa nahita an’ilay mpanjono aho, dia nahatsiaro ilay teny fantatsika loatra ao amin’ny Baiboly, rehefa nilaza tamin’i Simona i Jesosy hoe: “Mandrosoa ho any amin’ny  lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano.” (Lioka 5:4).

Fantatsika fa niasa mafy nandritra ny alina ny mpianatra, nefa tsy nahazo na inona na inona. Nankatò anefa izy ireo, ary inona no niafaran’ilay tantara? “Ary nandatsaka ny haratony izy ka nahazo hazandrano betsaka, dia triatra ny haratony”. (Lioka 5:6)

Ary teo amin’io tetezana io no nahatakarako fa:

Eo amin’ny hanosehan’ny olombelona anao ho amin’ny fetranao, no tian’Andriamanitra hanosehana anao ho amin’ny Fetrany… hahatonga anao ho amin’ny Fahagaganao! 

Eny, eo amin’ny toe-javatra hahatongavanao eo amin’ny fetran’ny fahafahanao dia mbola afaka manao fahagagana foana Andriamanitra! 

Ary ny nahitako an'ilay mpanjono sy ny fahatsiarovako ny tantara ao amin'ny Lioka toko faha 5, no nahafantarako fa ho ahy io hafatra io, ary ho anao koa!

Noho izany, aza kivy, mahareta. Mandrosoa hatrany. Alatsaho ny haratonao... dia ho hitanao ny fomba hanampian'Andriamanitra anao hiaina ny teny fikasany!

Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.