• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jol 3, 2025

🤗 Tsy mila manao na inona na inona intsony ianao

Andro namoahana Jol 3, 2025

Tao anatin’ny herinandro feno dia feno, no tonga tamiko tao anaty Whatsapp io fehezanteny io ary hinoako fa azonao an-tsaina ny hasarobidin’izany fanomezana izany, indrindra  rehefa mavesatra loatra ny zavatra atao ary misy olona tonga hanala izany vesatra izany eo amin’ny asanao ! 

Ary io fehezanteny  “tsy mila manao na inona na inona intsony ianao” io, io fanampiana io, dia tsy tongatonga ho azy tamiko! Mitsiky ho azy aho raha manoratra izany aminao ankehitriny. Satria ny andro talohan’izay dia nanapa-kevitra ny hanolotra Azy ny fanahiako rehetra aho. 

Nanapa-kevitra aho, manoloana ny eritreritro manao hoe “tsy vitako intsony,” ny handao ny zava-drehetra ary hihazakazaka ho eo Aminy! Eny, tahakan’ny hoe ara-panahy be izany lazaiko anao izany, fa mamela ahy hanazava  misimisy kokoa:

Eny, tototry ny asa sy ny olana aho. Eny, nitomany aho ary niteny hoe: “tsy vitako intsony”. Ary mety tsy mampino anao izany satria anisan’ny mpanoratra ato amin’ny “Fahagagana isan’andro” aho. Fa ny fiainana feno fahagagana dia mila mandrakariva MITOKY an’Ilay Mpanao fahagagana! 

Eny, amim-pahatokiana tanteraka. Tsy mahita. Tsy mahafantatra. Ary na dia efa imbetsaka aza isika no niaina fahagagana, dia tsy maintsy miezaka foana isika tsy hihevitra ny zavatra ataontsika ho zava-dehibe kokoa noho izay azon’Andriamanitra atao!

"Tokony hataoko ..." no fomba fijerin'olombelona. “Fa avelao…hanaovako Azy” no fomba fiasan’Andriamanitra. Ary ho ahy koa aza, isaky ny miaina fanapahan-kevitra vaovao dia mianatra matoky tanteraka an'Andriamanitra, tsy mahita ary tsy mahalala na inona na inona!

Moa fantatrao ve ny valintenin'Andriamanitra manoloana ny fahatokianao Azy sy Fampanantenany?

“...ary ny fanantenana dia tsy mampahamenatra.” (Romana 5:5)

Nisy olona tsy nampoizina tonga nanamaivana ny asako tamin’io andro io. Tonga ho azy fotsiny ve izany? Tsia, mino mafy aho fa nahafaly an’Andriamanitra ny fanapahan-kevitro ny hatoky Azy ary nandefa anjely Izy hamonjy ahy...

Izay nataony tamiko dia hataony aminao koa!

Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra