Inona tokoa moa no atao hoe finoana “marina”?
Fony mbola zaza aho, dia nanana namana silamo iray sy namana iray Vavolombelon'i Jehovah. Farany dia nanontany tena aho hoe: "Ary raha diso ny finoako, fa ny azy ireo kosa no marina?"
Hatramin'ny mbola kely dia efa azoko ny valin'io fanontaniana tena nampanahy ahy io. Fantatrao ve ny fomba nahazoako izany? Nanatona an'i Jesosy tamin'ny teniko manokana aho ary nivavaka hoe: "Asehoy ahy fa tena misy tokoa Ianao."
Tsy nidina avy any an-danitra Jesosy ka nijoro teo anatrehako nanao hoe: "Inty Aho, tena misy tokoa Aho!" Tsia. Fa toy ny hoe napetrak'Andriamanitra teo ambonin'ny foko ny tanany.
Dia afaka niaina tao anatin'ny fahatokiana sy ny fiadanam-po avy amin'ny finoana aho. I Jesosy no lalana sy fahamarinana ary fiainana (Jaona 14.6), na dia samy hafa aza ny fomba niainan'ireo namako ny finoany.
Na dia maro aza ireo antokom-pinoana milaza fa izy no manana ny "finoana marina", dia izao no vavaka ataoko ho anao anio: "Ray ô, arovy ny fony"
Tena maniry ny hampahery anao aho mba tsy ho voasariky ny hevitra maro samihafa, satria te hitarika anao ho eo Aminy i Jesosy, mba hiainanao ny fanatrehany!
Rehefa hitanao fa maro ireo feo manakorontana sy mampisalasala anao, dia avelao i Jesosy mihitsy no hamerina ny fahatokianao. Ao anatin'ny fotoana manginanao sy amin'ny alalan'ny fanatrehany dia afaka manatona Azy foana ianao! Izany irery ihany dia efa tena mahafinaritra!
Hoy Izy: "Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana." (Matio 11.28)
"Mankanesa aty amiko", satria tiany omena anao, ao amin'ny fanatrehany, ilay fahatokiana izay irin'ny fonao!
Endrey izany fahatokiana mahafinaritra izany!
Tsy hita ao anatin'ny tabataban'ireo feo manodidina anao izy, fa hita ao anatin'ilay bitsiky ny feony feno fitiavana.
Anio dia te hitahy anao manokana aho avy amin'ireto tenin'ny Salamo faha-121 ireto :
"Ny Tompo no Mpiaro anao; Ny Tompo no fialofanao eo ankavananao. Tsy mba hamely anao ny masoandro nony andro, na ny volana nony alina. Hiaro anao amin’ny ratsy rehetra ny Tompo; eny, hiaro ny fanahinao Izy.”
“Hiaro anao ny Tompo, na mivoaka ny trano ianao na miditra, hatramin’izao ka ho mandrakizay." (Nalaina avy amin'ny Salamo 121.5-8)
Fahagagana ianao !