• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
    • VI Vietnamese
Andro namoahana Aog 26, 2026

Rehefa Andriamanitra no mampitsahatra zavatra iray!

Andro namoahana Aog 26, 2026

Leo aho, aleo hijanona!

Teo afovoan'ilay dobo filomanosana anaty trano, izay nahitan'ny olona rehetra anay sy nandrenesany anay, no nilaza izany tamiko izy. Dia novaliako hoe: "Fa mbola tia anao anie aho ee."

Nataonay naharitra kely ilay "seho", sady niezaka tsy hihomehy mafy izahay, raha nanatona tamim-pahalianana kosa ireo olona tao amin'ilay dobo filomanosana: "Tena misaraka tokoa ve ireo? Tena eto mihitsy ve?"

Haha! Fony mbola tanora izahay sy ny anadahiko, dia tena tia nanao vazivazy tahaka izany. Hita mihitsy aza ny hafalian'ny olona rehefa, tamin'ny farany, nifamihina izahay!

Saingy vao tsy ela akory izay, dia tena nilaozan'ny namana iray aho, nefa izaho nieritreritra fa hiara-dia aminy mandritra ny fotoana ela. Iray amin'ireo ratram-po eo amin'ny fiainana izay mila fotoana vao levona izany!

Indraindray dia mety hesorina tampoka amintsika ny tombontsoa sasany, na koa fitahiana aza, nefa toa tsy misy antony mazava. Amin'izany fotoana izany dia manontany tena isika hoe: "Inona no tsy nety nataoko? Inona no nahadiso fanantenana Anao, ry Andriamanitro?"

Tsara tokoa ny mandini-tena matetika. Kanefa efa ela i Jesosy no nanazava ny antony hoe:

"Ny sampany rehetra eo amiko izay tsy mamoa dia esoriny; fa ny sampany rehetra izay mamoa kosa dia amboariny" (Jaona 15.2)

Raha avelan'Andriamanitra ho very aminao ny zavatra iray, dia minoa fa efa nanomana zavatra hafa ho anao Izy!

Ny zavatra nesorina dia manokatra lalana ho amin'ny fitahiana vaovao!

Tsarovy fa rantsaniny ny sampana rehetra izay mamoa, mba hamoa bebe kokoa. (araka ny Jaona 15.2)

Ny voaloboka dia rantsanina mba hahatsara ny endriny, hampatanjaka ny fahasalamany ary hampitombo ny vokatra azony. Ho an'ny voaloboka koa dia toa "mihena" izany amin'ny voalohany. Kanefa ilay mpamboly voaloboka (Andriamanitra – jereo Jaona 15.1) dia mahalala fa ilaina izany rehetra izany mba hahazoana vokatra bebe kokoa amin'ny alalan'ny fanesorana izay tsy ilaina.

Tsy misy antony handanianao ity andro ity amin'ny loha mitanondrika, satria heverinao fa misy zavatra tsy omen'Andriamanitra anao. Fa atrakao ny lohanao, ary anontanio amim-pifaliana hoe: "Andriamanitro o, inona ny zavatra vaovao sy mahafinaritra nomaninao ho ahy anio?"

Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.