• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
    • VI Vietnamese
Andro namoahana Aog 24, 2026

Manomboka eto dia aza manaraka GPS intsony !

Andro namoahana Aog 24, 2026

Tao anaty fiarako aho, an-dalana mody avy nanatrika ny Andron'ny Vehivavy tena nahafinaritra, izay natao tany avaratr'i Alemana. Ny anadahiko, izay niaraka tamiko nikarakara ny fanamafisam-peo, dia efa teny an-dalana ihany koa hiatrika ilay 760 km, ary niantso ahy tampoka avy tao anaty fiarany izy ka niteny hoe:

"Vao nahita takelaka aho nilaza hoe: – manomboka eto dia aza manaraka GPS intsony! –  Efa nisy fotoana ve niaina zavatra toy izany ianao?"

Dia tonga dia izao no tao an-tsaiko: "Endrey, mba iriko raha misy takelaka mazava tahaka izany amin'ny fiainana indraindray eo ambany masontsika !" Ho tsikaritsika avy hatrany mantsy rehefa manomboka mamitaka antsika ny fisalasalana. Ilay fisalasalana te handresy lahatra antsika hoe "nanadino" antsika Andriamanitra ka tsy tokony hanohy hanaraka an'Andriamanitra intsony isika, Ilay GPS-ntsika!

Satria rehefa tsy tsapantsika intsony ny fijeriny antsika, dia mora amintsika ny miala amin'ilay lalana izay narahintsika tamim-pahatokiana nandritra ny taona maro...

Ohatra, mijery sarimihetsika izay tsy ho nojerenao ianao raha "tsapanao" fa eo Andriamanitra. Miresaka ratsy ny hafa ianao... misy olona manana olana saingy satria tsy tsapanao intsony Andriamanitra, dia tsy te hanampy azy ireo intsony koa ianao...

Azonao ve ny tiako holazaina?

Raha ny marina, impiry moa no tsy tsapantsika isan'andro ny fanatrehan'Andriamanitra, ka atahorana hanao safidy diso isika, na handray fanapahan-kevitra araka ny fisainan'olombelona fotsiny...

Vonona ve isika anio handray fanapahan-kevitra tsy hisalasala amin'Andriamanitra, na dia tsy "tsapantsika" aza Izy amin'izao fotoana izao?

Tatỳ aoriana dia nitantara tamiko ny anadahiko hoe: "Nanapa-kevitra aho fa hanohy ny lalana, fa tsy hanaraka ny toromariky ny GPS. 

Mandalo ny fisalasalana, fa Andriamanitrao, Izay tia anao, dia mandrakizay... Ny hahasoa anao no iriny!

"...sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino.” (Jaona 20.29)

Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.