๐ Zatra mivoaka isan-kariva ve ianao?
Mivoaka isan-kariva ve ianao? Izaho manokana dia tia mandehandeha amin'ny hariva, fa raha mbola azo atao dia aleoko mody alohan'ny ahatongavan'ny alina.
Tsaroako ny 31 desambra iray izay nandehanako tany am-piangonana mba hamaranako ny taona am-bavaka. Alina io ary ny olona dia na tany an-tranony na niaraka tamin'ireo namana, vonona hitsena ny taona vaovao. Tsy nisy olona ny arabe, ary ilay lalana iray izay efa falehako imbetsaka dia lasa somary nampatahotra ahy tamin'izay ora izay. Nitandrina be aho ka nandeha haingana nandritra ny 10 minitra teo ho eo mandrapaha-tongako teo amin'ny varavaran'ny fiangonana. Nahafinaritra ery ny nahita ilay jiro sy nihaona tamin'ireo rahalahiko ao amin'i Kristy!
Eo amin'ny fiainana indraindray dia misedra fotoana maizina isika. Hoy ny Baiboly hoe : "Andriamanitra dia mazava [...] Fa raha mandeha eo amin'ny mazava isika, tahaka Azy eo amin'ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny ran'i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin'ny ota rehetra." (I Jaona 1:5-7)
Rehefa miodidina anao ny haizina, mandrosoa ka aza mijanona! Zory ny lalanao, hafaingano ny dia, ary mandehana ao amin'ny hazavan'ny Tompo. Ary mbola tsara kokoa raha mizotra izany lalana izany miaraka amin'ireo rahalahy sy anabavy ao am-piangonana ianao! Ny fiombonana amin'ireo rahalahinao sy anabavinao dia mahatonga anao hamirapiratra kokoa.
Araraoty ity andro ity mba hisaorana ny Tompo ny amin'ireo olona rehetra izay napetrany teo amin'ny fiainanao izay tonga fitahiana ho anao, indrindra ireo rahalahy sy anabavy amin'ny finoana.