đŹ Zatra manapa-teny anâAndriamanitra ve ianao ?

Efa nisy olona nanapa-teny anao ve? Fanaontsika daholo izany, fa rehefa isika no atao azy, mandreraka kokoa, sa tsy izany? đ
Nisy fotoana aho tadidiko niresaka taminâny vadiko. Nosokafany tamiko ny fony ka nozarainy tamiko izay tena zava-dehibe taminy. Tsy navelako hamarana nefa izy fa avy hatrany dia nanoro hevitra azy aho ny aminâizay tokony ataony. Tsy tsapako taminâizay fotoana izay, fa tena tsy nety ny nataoko: te hizara izay tao am-pony fotsiny izy, fa izaho indray dia nifantoka taminâny hevitro, taminâizay vahaolana azoko nomena azy. Koa satria tsy navelako hamarana ny teniny izy sady tsy nifantoka taminy aho, dia voatohina tsy nahy izy.
Tahaka izany no fanaontsika matetika aminâAndriamanitra : miteny amintsika Izy, avy eo isika manapa-teny Azy, satria liana kokoa ny aminâny vahaolana hitantsika isika noho izay zavatra ambarany amintsika. Endrika avonavona izany izay manakana antsika tsy hahazo torohevitra avy aminâAndriamanitra.
Zava-tsarobidy no ambaranâAndriamanitra ho anâizay manana fo mietry sy izay maniry fatratra ny hihaino Azy. Hoy Jesosy hoe : âEnto ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo ianareo.â (Matio 11:29). Manokatra ny sofintsika ny fo tsy miavona, ary manome fitsaharana ho antsika.
Mila olona manana fo misokatra, malemy fanahy ary mora anarina, snsâŠ.. Andriamanitra. Mitady anao Izy! Fotoana izao hihainoana am-panetren-tena ny Tompo, sy mametraka ny zavatra rehetra eo anatrehany.

