๐ Vonona ny hijanona ho mahatoky
Ny miala sasatra lavitra an’Andriamanitra dia midika ho fisarahana amin’ireo torohevitra tsara tiany omena antsika, amin’ny fiarovana sy ny fahendreny izay ilaintsika isan’andro!
Tena marina fa rehefa fialan-tsasatra, dia mety hisy fihetseham-po sy eritreritra hafa noho ny andavanandro hiseho. Angamba mety hahatsiaro ho irery tampoka ianao, fa mpitovo ianao ka tsy olana loatra izany rehefa milamina ny andavanandronao. Toa feno be ny fiainanao satria koa sahirana amin’ny asa ianao sady maro ny zavatra sahaninao. Fa rehefa iny mipetraka irery eny amoron-dranomasina ianao, dia tsapanao tampoka hoe tena irery ianao!
Na angamba efa ela ianao no nanambady, nefa nanantena zavatra hafa, tampoka teo, nisy olona nitsiky kely nahafinaritra, ka lasa ny eritreritrao hoe... maninona moa raha handeha kely, hiarahaba fotsiny, mba hilalao afo kely…
Fa azoko antoka fa handoro anao io! Ry namako, tsy ny fialan-tsasatra ihany no mety ahitanao izao fandrika izao; manara-dia anao foana izy ireny rehefa “miala sasatra lavitra an’Andriamanitra” ianao.
Satria: eo akaikin'Andriamanitra ihany no azo antoka ny tsy fahatokisanao !
Fantatr’Andriamanitra tsara, ry namako, fa be dia be ny fanapahan-kevitra mila raisintsika. Izany no maha-zava-dehibe ny mangataka ny tari-dalany, sy ny manaraka izay lalana asehony:
“Mijanòna eny an-dalana ianareo ka mandiniha; ary anontanio ny sakeli-dalana fahiny. Tadiavo ny lalana ho amin’ny fahasambarana; araho izany, dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo! Kanefa hoy izy hoe: «Tsy hanaraka izahay!»” (Jeremia 6: 16).
Teny mahery izany! Azonao atao ny miadana na amin’ny fialan-tsasatra na amin’ny andavanandro, ry namako. Fa ilaina ny tena manapa-kevitra marina hanaraka izany lalana izany. Tsy misy zavatra “kisendrasendra”, na “miankina amin’ny vintana”. Tsia, ianao no mila mandray ny safidy ary manaraka ny lalana marina.
Ny fiainana lavitra an’Andriamanitra dia tsy fiainana. Tsara kokoa ny miaina miaraka amin’Andriamanitra, toy izay tsy manana fiainana !
Te hamakivaky ity tontolo andro ity amin’ny lalana marina ianao? Asao ary Jesosy hiaraka aminao : “Jesosy ô, mba ampio hahatoky eo Aminao aho, mba hahatoky amin’ny tenako koa (ary amin’ny vadiko ihany koa). Amen”.
