• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jon 28, 2026

Vonona ny hankasitraka mialoha ve ianao ?

Andro namoahana Jon 28, 2026

Inona no zavatra tsara kokoa noho ny fankasitrahana?

Inona avy ireo zavatra nankasitrahanao nandritra izay telo andro lasa izay?

Aza miteny hoe : “Tsy nisy mihitsy!” Minoa ahy, vao avy nandalo iray amin’ireo herinandro tena be zavatra indrindra tamin’ity taona ity aho, nefa mbola afaka mitanisa avy hatrany ireo fotoana nameno fankasitrahana ny foko. Ohatra, rehefa nihomehy mafy ny zana-drahalahiko noho ny zavatra tena tsotra. Hehy lalina, tena avy ao am-po, maivana… ka vetivety dia nifindra tamiko koa!

Nanararaotra naka horonantsary an’io fotoana io aho, ary hatramin’izao dia tsy sasatra mijery azy. Isaky ny mijery azy aho dia feno hafaliana indray!

Manana hery hanova tarehy malahelo ho tsiky, ary fo mavesatra ho fo feno hafaliana ny fankasitrahana. Nahoana? Satria rehefa ao anatin’izany toe-tsaina izany ianao dia mahatsapa ireo fahafahana omena anao.

Tsy voatery hanana ny “vahaolana” foana ianao, na valiny amin’ny olana rehetra. Ny zava-dehibe dia ny mahatsapa fa Andriamanitra, izay maniry ny hahasoa anao, dia te hameno ny lalanao amin’ireo fotoana mahafinaritra sy feno fifaliana!

Eny, matetika isika misaotra rehefa nahazo zavatra nirintsika. Ary TIAN’Andriamanitra homena anao izay irin’ny fonao — koa raha tsy mahita antony hisaorana ianao anio, dia omeo Azy ny fanomezam-pitokisana : fankasitrahana mialoha!

Fa Izy no nihavian'izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy koa no antony; Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amen” (Romana 11:36 )

Afaka milaza hoe Amen ve ianao amin’izany? Raha eny, dia azo antoka fa afaka manamafy ity vavaka ity koa ianao amin’ny filazana hoe Amen :

“Jesosy ô, efa imbetsaka Ianao no nameno ny fiainako tamin’ny fitahiana, ary matoky aho fa mbola hanao izany indray Ianao. Izany no itondrako ny fankasitrahako sahady anio - satria mahatoky Ianao! Amen.”

Ity ny torohevitro ho anao anio : Iaino amim-pankasitrahana ity andro ity..

Eny, farano amin’ny fankasitrahana ity andro ity, ary atombohy amin’ny fahafenoana ny ampitso!

Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.