Vonona ny hanao mihoatra noho ny tena tokony ho izy ve ianao ?

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Vonona ny hanao mihoatra noho ny tena tokony ho izy ve ianao ?

Indray andro, ny hafatra teto amin’ny “Fahagagana Isan’andro” dia ny hoe : “Miomàna hihaona amin’ny olona nirahin’Andriamanitra manokana anio”.

Alahady maraina tamin’izay ary niala sasatra aho. Tsy te hietsiketsika mihitsy aho, fa te hijanona fotsiny ao ampandriana, haka aina sy hivavaka ho anao no mibonoka bodofotsy..

Tsy nanana asa tsy maintsy natao aho tamin’io andro io dia mora kokoa ho ahy ny nijanona tao an-trano.

Nanatona ahy ny zanako Benjamin, ary nilaza : “Dada a, nanoratra ho anay ianao androany mba hiomana hihaona amin’ny olona izay nirahan’Andriamanitra, ary nampianatra ny hafa koa mba hanao mihoatra noho ny tena tokony ho izy na dia tsy mazoto aza, ka noho izany tokony hiaraka aminay ianao.”

Tonga nilaza an’izany tamiko koa ny zanako anankiray Clément! Ary ny vadiko!

Marina ny azy ireo… Nitsangana ary aho ary rehefa avy nisasa dia nitady ny kiraroko tao amin’ny fitoerany.

Nahita kiraro nety tamiko aho kanefa feno “carte de visite” efa ho roapolo tao anatiny. Fantako fa toerana tsy eritreretina hahitana “carte de visite” ao, fa matokia ahy ianareo, fa nampirimiko tao ireo mba hiarovana azy rehefa nody avy any Etazonia aho.

Nisy karatra iray latsaka tamin’ireo ary nanintona ahy izany. Ny anaran’ilay orinasa dia “2 miles”. Tadidiko tampoka ny nambaran’ilay japoney talen’ilay orinasa izay nifanena tamiko tany Californie, nanazava izy fa nataony “2 miles” ny anaran’ilay orinasa satria raha manao iray kilometatra isika ka manao iray kilometatra fanampiny, dia lasa roa kilometatra izany. Ary amin’ny maha mpitambola azy, dia te hanao mihoatra noho ny tokony ho izy foana ho an’ireo andrasan’ny mpanjifany izy… izay no nihavian’ilay hoe “2 miles”.

Rehefa avy niteny tamiko tamin’ny alalan’ny zanako sy ny vadiko Andriamanitra dia niteny tamiko fanihefany tamin’ny alalan’ny “carte de visite” an’ny japoney izay monina any Etazonia ! Henjana izany !

Rehefa tonga tany am-piangonana dia nahita namana aho izay nilaza tamiko : Eric, tiako ianao mba hihaona amin’i David Luiz, ilay mpilalao baolina an’ny PSG izay vao natao batisa vao aingana. Rehefa vita ny fotoam-bavaka, dia nihaona taminy aho ary nifandray tsara izahay, noho ilay anabavy brésilianina izay teo sy tena tia ny ministerako.

Efa nikasa ny hiresaka tamin’i David Luiz ihany aho, noho ny nahare fa natao batisa izy, fa tsy nanana ny fahafahana ny hifandraisana taminy aho. Mahery ny Tompo !
Tsy nanenina aho nanao kilometatra fanampiny, ary na mbola 2 kilometatra aza. Ary resy lahatra aho fa zavatra tsara no hivoaka amin’ny alalan’izay fifandraisana izay ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra.

Ka vonona ho amin’ny kilometatra fanampiny ve ianao ? Na dia ratsy aza ny lalana aty Madagasikara amin’izao 🙂… vonona hanao mihoatra ve ianao ? Ny tsiambaratelo dia izao : manao izay tsy tianao atao anefa ataonao ho an’i Jesosy. Andao ary !

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!