• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Nov 29, 2025

⏳ Vonona ny hanantena ve ianao ?

Andro namoahana Nov 29, 2025

Efa nifanao fotoana tamin’ny olona ve ianao tao amin’ny toerana iray, amin’ny ora voatondro, nefa tsy tonga teo mihitsy ilay olona ?

Nisy fotoana aho tany Madrid, nanana fivoriana niaraka tamin'ny namana avy any Etazonia. Teny amin’ny Puerta del sol, ivon’ny Madrid no nifanaovanay fotoana tamin’ny 7 ora hariva.

Rehefa tsy tazako izy ireo dia niezaka niantso aho, fa tsy nandeha nefa ny finday an’izy ireo. Nanapa-kevitra aho noho izany ny hijanona hiandry azy ireo, araka izay tratrako, sady nandehandeha teo aho.  Rehefa niandry teo adin’ny roa sasany aho dia azoko antso ihany izy ireo.

Hay tsy afaka niantso ahy izy ireo satria nisy olana ny findainy. Fahadisoam-pananantenana lehibe izany, fa ny lafin-tsarany dia afaka nankafy ny dia an-tongotra tao afovoan'i Madrid aho tamin'ny tolakandron'ny fahavaratra nahafinaritra! =)

Ny apostoly Paoly dia milaza fa “ary ny fanantenana dia tsy mampahamenatra, satria ny Fanahy Masina, Izay nomena antsika, no nentiny nampidina ny fitiavan'Andriamanitra ho ao am-pontsika.”  (Romana 5.5)

Mety diso fanantenana angamba ianao indraindray amin’ny fiandrasana zavatra avy amin’ny hafa, na mety tonga saina ianao fa nanao fihetsika hafahafa tamin’olona.

Fa hafa tanteraka ny amin’Andriamanitra : tsy ho menatra mandrakizay ianao rehefa manantena sy matoky Azy. Ary hahazoanao valim-pitia lehibe ny fanantenanao an’Andriamanitra fa tsy hampahamenatra anao mihitsy. Afaka miantehatra amin’ny Fanampiany sy ny Fitiavany foana ianao, izay toy ny hanitra izay hanondrahany ny fonao.

Raha mbola tsy nametraka ny fitokisanao amin’i Kristy ianao dia te hanao izany ve ianao izao ? Andeha hiaraka hivavaka amiko : “Jesosy o, tiako hovainao ny fiainako. Mamelà ahy tamin’ny fahotako rehetra, ny fahadisoako sy ny zavatra ratsy vitako rehetra. Te hahatoky Anao aho, atolotro Anao ny lafim-piainako rehetra, aoka Ianao no Tompoko sy Mpamonjy, ahy izay mitarika ny lalako isan’andro. Atolotro an-tananao ny fiainako rehetra, ny fanantenako dia Aminao, ary raisiko ato am-poko ny Fitiavanao izao. Misaotra Andriamanitra ny amin’ny Herinao sy ny Fitahianao ! Amin’ny anaran’i Jesosy, Amen”

Raha nanao izany vavaka izany ianao ary te hahafantatra misimisy momba an’i Jesosy, dia aza misalasala manoratra aminay.

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.