Vonona amin’ny fanamby (tsara) ve ianao? 🤗
Tandremo, anio aho dia hanome fanamby anao… (izaho koa voakasik’izany 😃)
Fantatrao angamba ilay tantara ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly, izay nanasitranan’i Petera sy Jaona lehilahy iray malemy tongotra. Voasoratra hoe :
“Ary nisy nitondra lehilahy nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny, izay napetrany isan'andro teo anoloan'ny vavahadin'ny tempoly, ilay atao hoe Itsaraendrika, mba hangataka fiantrana amin'izay niditra teo an-kianjan'ny tempoly; nony nahita an'i Petera sy Jaona efa niditra eo an-kianjan'ny tempoly izy, dia nangataka mba homena fiantrana. Ary Petera sy Jaona nibanjina azy ka nanao hoe: Mijere anay. Dia nibanjina azy roa lahy tsara izy, fa nanantena hahazo zavatra taminy. Fa hoy Petera: Tsy manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako no omeko anao: Amin'ny anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta, mitsangantsangàna. Ary noraisiny tamin'ny tànany ankavanana ralehilahy ka natsangany; dia natanjaka niaraka tamin'izay ny tongony sy ny kitrokeliny. Ary niantsambotra izy ka nijoro, dia nitsangantsangana ary niara-niditra taminy ho eo an-kianjan'ny tempoly, nitsangantsangana ny niantsambotsambotra sady nidera an'Andriamanitra.’” (Asa 3:2-8)
Hitanao ve fa tsy nomen’i Petera sy Jaona izay nangatahin’ilay lehilahy, fa nomeny zavatra lehibe lavitra noho izay nandrasany?
Avelao aho hizara hevitra iray manohina ahy koa :
👉 “Tsy misy fotoana ve isika manome fotsiny izay angatahin’ny olona… nefa mbola betsaka lavitra noho izany no azontsika omena ?”
Ohatra : Manampy ny mpiara-monina amintsika isika – tsara izany – fa… miresaka aminy momba an’i Jesosy ve isika, Ilay te ho mpanampy azy manokana?
Mety mitondra marary any amin’ny dokotera isika – noho ny fitiavana – fa… miresaka aminy momba an’i Jesosy ve isika, Ilay afaka manasitrana?
Mahita mpangataka eny an-dalana isika, manipy vola kely ao anaty satrony… fa mba miresaka aminy ve isika, na manontany raha afaka mivavaka ho azy?
Eny e, mety tsy ny miresaka avy hatrany momba an’i Jesosy akory no voalohany… fa ny mivavaka ho an’ny olona ! Ataontsika ve izany ?
AZOKO ANTOKA fa tsy niala tao an-tranony i Petera sy Jaona raha tsy efa nivavaka.
Izany no nahafantaran’izy ireo ny hery tao aminy, ka nahafahan’i Petera nilaza tamim-pahatokiana hoe : “…izay ananako no omeko anao !” (Asa 3:6)
Saintsaino kely:
👉 Izay anananao, azonao zaraina. Fa ankoatra izany, mbola manana bebe kokoa ianao hozaraina.
Aoka isika ho isan’ireo manome mihoatra noho izay antenaina. Inona no hanombohanao anio?
Fahagagana ianao ! 🙏