🔆 Voninahitra ho an’ny Anarany!
Hoy Jesosy namarana ny Teniny: “Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra” (Matio 5:16)
Fantatrao ve hoe firifiry ny olona efa diso fanantenana sy niala tamin’ny finoana an’Andriamanitra, noho ireo karazana fijoroana vavolombelona tsy marina nataon’ny kristianina hafa?
Tena mampalahelo! Izany no maha-zava-dehibe ny mivavaka ry namako, mba tsy ho tonga vato misakana ho an’ny hafa mandrakizay izaho sy ianao.
Fa anio kosa aho dia hamarana ity lohahevitra ity, ary tiako hasongadina manokana ny mifanohitra amin’izany: rehefa mamiratra eo amin’ny fiainantsika ny Fitiavan’Andriamanitra ary mikatsaka mandrakariva ny hitahy ireo manodidina antsika isika, dia manomboka misy fiovana ao anatin’izy ireo.
Raha tokony hanalavitra an’Andriamanitra izy ireo dia mahatsiaro voasarika hanatona Azy. Ary raha tokony ho tezitra dia manomboka manam-paniriana hanome voninahitra an’Andriamanitra.
Ry namako, ny fiainanao dia afaka ho tonga toerana fihaonan’Andriamanitra sy ireo olona manodidina anao! Noho ny fitiavana asehonao, dia sambany eo amin’ny fiainan’izy ireo ny hino ny fisian’ny Lanitra ary hahatsapa faniriana te hahafantatra an’Andriamanitra, sy hanome voninahitra ny Anarany.
Mandritry ity tontolo andro ity dia mivavaha ary mangataha amin’ny Tompo, mba hanambara aminao ny fomba hamirapiratan’ny Fahazavany tsy tapaka, ho voninahitry ny Anarany!
Fahagagana ianao!
