• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
    • VI Vietnamese
Andro namoahana Okt 17, 2026

Vokatry ny fanahy

Andro namoahana Okt 17, 2026

Efa nisy fotoana isika niresaka famelan-keloka ary irariako tena nampiharinao izany. Anio dia mbola tarihin’ny Fanahy Masina isika amin’ny lalindalina kokoa amin’ny endrika fitiavana.  

Efesiana 4:32 “ary aoka samy halemy fanahy amin'ny namany avy ianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan'Andriamanitra ny helokareo ao amin'i Kristy.”

Nisy olona akaiky be ahy izay nanao zavatra tena nandratra ahy. Raha ny fitadidiako dia tsy nisy dia tena hoe antony loatra avy aty amiko nahatonga azy nanao izany fa na izany aza, tena narary ahy loatra ka saika tafalatsaka tanaty famoizam-po tanteraka aho. Niezaka niresaka taminy aho fa mifanojo amin’ny endrika rindrina be matetika ka na miafara amin’ny vesatra fanampiny na fifamaliana na ranomaso. Nifamahofaho be ireo ary tena kivy tanteraka aho satria raha ny fijery ivelany dia toa olona tsara sy mahate-ho-tia izy nefa ao ambadika tena olona hafa mihitsy. Very hevitra aho ary niantoraka an-dranomaso teo an-tongotry ny Tompo “Tsy vitako fa alaivo aho rehefa tsy hiravona io!” hoy aho Taminy. 

Andro vitsivitsy taty aorian’izay dia hoy ny Tompo tamiko hoe mamelà azy. Saika tsy nino ny henoko aho ary nivonona handroaka ny devoly mihitsy hoe manelingelina ahy. Fa niverina nazava tato ao anatiko hoe “mamelà azy!” Nigogogogo nitomany teo aho ela be ary farany dia hoy ny Tompo tamiko hoe : “Norotiana a, ianao ange koa nanao an’izao sy izao ireny e, fa namela anao aho satria tiako ianao!” Vao maika aho nitomany, tsy noho ny alaelo intsony fa noho ny fahatsapako ny fitiavany ahy. 

Ny ampitso aho dia nisafidy nanatona io olona io ary niteny taminy fa mamela azy. Tsy niandrandra inona aho fa henoko feno fiadanana aho dia izay no zava-dehibe amiko. Mbola mianatra aho, mbola miezaka hihazona izay fiadanana izay fa haiko fa efa miseho miandalana ilay fahalemem-panahy sy ny fiantrana ary ny famelana. Tsy vitako amin’ny heriko na tanjako fa avy amin’ny Fanahy irery ihany. Misaotra Jesosy. 

Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕

Norotiana Andriamanohy
Mpanoratra

Vehivavy tsotra iray izay nihaona tamin'i Jesosy ary niova ho voninahiny