Voatahy mandrakizay
Voatahy mandrakizay
Fantatrao ve fa tian’Andriamanitra ianao ho ambinina sy hahomby ny ataonao rehetra?
Fantatrao ve fa efa nambarany fa izay kasihin’ireo tananao ireo dia ahavokatra, raha tsy hiteny afa-tsy ny Deotoronomia 28:12 hoe "Hovohan'i Jehovah ho anao ny lanitra, tranony fitehirizan-tsoa, handatsahany ranonorana amin'ny taninao amin'ny fotoany sy hitahiany ny asan'ny tananao rehetra.” na ny Deotoronomia 30:9 "Ary hataon'i Jehovah Andriamanitrao manana amby ampy ianao amin'izay hahasoa anao, dia amin'ny asan'ny tananao…”?
Misy fepetra iray no ahatanteraka izany dia ny fanaovana ny Sitrapony. Na ho fehezina amin'ny hoe: “fankatoavana”.
Dia jereo ny tananao ary, dia hinoy fa na na inona na inona ataonao dia ho tahiana izany. Amen!! Koa na miasa ianao, na mianatra, na manao asa-tanana na mikarakara tokantrano….dia ho hambinina izay ataonao. Izay no voalazan’ny tenin'Andriamanitra ary afaka hinoanao. Ankatoavy fotsiny izay lazainy.
Anio aho dia manolotra manokana anao ity andinin-tsoratra masina ity “Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin'ny zavatra rehetra anie ianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany”. 3 Jao 1:2. Raiso am-pinoana izany fa ho tanteraka aminao.
Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕