• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Aog 28, 2025

Voalohan-karena ny fahendrena

Andro namoahana Aog 28, 2025

Rankizy o, ry tanora zanaka isany…. mila mankato ray aman-dreny na ireo mpitaiza antsika isika. Mampalaelo fa any ivelany dia afaka mitory ny ray aman-dreniny ny zaza iray raha misy hitany fa tsy mety. Enga anie tsy hisy izany eto Madagasikara!!! Ny ray aman-dreny, na ireo mety ho solony mitaiza anao dia mendrika fanajana sy fankatoavana. Mety manana ny fahalemeny izy fa mila hajainao foana.Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin'ny Tompo, fa marina izany. Manajà ny ray sy ny reninao (fa izany no didy voalohany misy teny fikasana), mba hahita soa ianao sy ho maro andro ambonin'ny tany” (Efesiana 6:1-3)

Omeko antony vitsivitsy ianao hoe fa maninona no tokony atao izany:

1. Rariny izany satria ankasitrahan’ny Tompo.

Mila ny fitahian’Andriamanitra amin’izay rehetra ataonao ianao. Alao sary an-tsaina hoe manohitra anao Andriamanitra. Alaivo sary an-tsaina ny tsy fankasitrahan’Andriamanitra anao? Niteny tamin’ny Kolosiana i Paoly faankasitrahana ao amin’ny Tompo ny fankatoavanao (Kolosiana 3:20).

2. Rariny satria ny fikomiana dia mifamatotra amin'ny fitaoman-tena izay mampiavaka ny ratsy - dia ny asan'ny demonia.

Antsoin’Andriamanitra toy ny hoe “sikidy” izany ( 1 Samoela 15:22-24). Ny “fikomiana” dia toy ny “sikidy”. Ny sikidy dia ny fandavana an'Andriamanitra ary mankany amin'ny loharano hafa. Manamavo ny lalany izany. Toy ny fanompoan-tsampy io toe-tsaina mahaleo tena feno avonavona io.

3. Rariny izany satria ny fankatoavana dia fomba iray hitiavanao an’Andriamanitra.

Marina izany satria mampiseho fa hendry ianao. Raha maneso ny ray aman-dreninao ianao ka tsy mankatò azy, dia asehonao amin’ny olona rehetra fa tsy hendry ianao: Tsy tia izay mananatra azy ny mpaniratsira, ary tsy mety manatona ny hendry izy”. (Ohabolana 15:12).

Ataoko fa antony ampy ireo handresena lahatra anao fa zava-dehibe ny fankatoavana ny ray aman-dreny, na ara-nofo io na ara-panahy. 

Mivavaka aho fa hendry sy mendrika ny ankizy sy ny tanora Malagasy. Ho lavitry ny rehak’izao tontolo izao fa feno ny voninahitry ny Tompo.

Tahiana manokana ny ankizy sy ny tanora!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.