• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jol 3, 2026

Voahosotra amin’ny fahombiazana ve ianao?

Andro namoahana Jol 3, 2026

Mahatsapa ve ianao fa nahitam-pahombiazana ireo volana lasa? Mety mbola tsy nahomby tahaka izany ny asanao - ary izany no iriko ho anao - nefa mety ho ny mifanohitra amin’izany koa no niainanao…

Na tsara na sarotra ny fotoana nolalovanao tato ho ato, tiako ho fantatrao fa zavatra iray ihany no tena zava-dehibe: tsarovy fa hitan’Andriamanitra ianao, ary hitany koa ny toe-ponao ao anatin’ny fahombiazanao na ny tsy fahombiazanao…

Nahomby ve ianao tato ho ato satria tena niasa mafy sy tsara, sa n tetikasa na hetsika iray napetrakao izay nitarika anao ho amin’ny fahombiazana?

Vao aingana aho no namaky izao andalan-tsoratra Masina izao, ary tena nanohina ny foko:

“Mahasoa inona ny sarin-javatra voasokitra,

No misokitra azy ny mpanao azy?

Na ny sarin-javatra an-idina sy ny mpampianatra lainga,

No matoky azy izay namorona azy Tamin'ny nanaovany sampy moana?

Lozan'izay manao amin'ny hazo hoe: Mifohaza!

Ary amin'ny vato moana hoe: Mitsangàna!

Hampianatra va ireo ?.....

 He! voapetaka takela-bolamena sy volafotsy ihany izy,

Nefa tsy misy fanahy akory ao anatiny.

Jehovah dia ao amin'ny tempoliny masina;

Mangina eo anatrehany, ry tany rehetra!

(Habakoka 2 :18-20)

Indraindray anefa dia hadinontsika fa ny hafaliana ateraky ny fahombiazana rehetra dia tsy misy lanjany raha mihoatra noho ny hafaliantsika amin’Ilay Mpamorona antsika.

Ny Mpamorona anao dia manan-danja lavitra noho izay noforoninao!

Tahaka ny ahafahanao mahita izay noforoninao, dia afaka mahita anao koa Ilay namorona anao. « Izay niteny taminy hoe: Hianao no Andriamanitra Izay mahita » (Genesisy 16:13)

Inona no ho hitany? Zanany manome voninahitra Azy noho ny fahombiazana azony ve, sa olona mankalaza ny tenany sy ny zava-bitany?

Mamporisika anao aho handinika indray ireo teny ireo anio, ary hisaotra Ilay Mpamorona ny zavatra rehetra!

Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.