Vitan-dratsy ? Aza avela ho very ny fiadanan’ny fonao anio !
“Tsia kosa e, marina hoe ?” 😏
Vao avy nahazo teny avy amin’ny mpitendry aho nilaza fa tsy mbola nianatra an’ ilay hira izy, fanindroany izay ! Nanoratra WhatsApp avy hatrany ho an’ny mpamokatra ahy aho hoe :“Izay indray, fotoana very amin’ny fiainako…”
Teo am-panoratana izany aho no nahatsapa an’ilay feo kely tao anatiko niteny hoe : “Aza mandefa an’izany. Mandefera.” Nefa na izany aza… alefanao ihany, satria te hiala vesatra amin’olona fotsiny ianao.
Fa inona marina no tiantsika hiala vesatra ? Sao dia satria misy olona tsy azo itokisana amin’ny sehatra iray, tahaka antsika ihany amin’ny sehatra hafa ?
Tokony HISAINTSAINA aloha isika vao MIHETSIKA.
Rehefa ampiharina izany fitsipika izany, dia mifandray avy hatrany amin’ny tenin’ny Efesiana 4:29 hoe : “Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan'ny mihaino fahasoavana.” (Efesiana 4:29)
Ary mazava ho azy… tonga ny zavatra tsy nampoizina ! 😳 Taitra aho nahita fa tamin’ilay mpitendry mihitsy no nandefasako ilay hafatra, fa tsy tamin’ilay mpamokatra ! 🙊
Dia teo indray ny tahotra… ny adin-tsaina… : “Efa novakiany ve ilay hafatra talohan’ny namafako azy ? Izao indray izany izao dia tsy maintsy hanazava sy hiala tsiny…”
Ny fahasoavana dia te hanala anao amin’io adin-tsaina io ! Henoy ny feon’ny Fanahy Masina, miresaka amin’ny fonao Izy satria be dia be ny tiany holazaina aminao !
Ary raha tokony hamoaka ny fahatezerantsika tampoka isika, andeha kosa hanomboka amin’ny famelana an’Andriamanitra hiditra. Hiditra ao am-pontsika.
Tamin’io maraina io, dia nanomboka ny androko tsy nanolotra izany ho eo an-Tanany aho. Eny, mitranga amiko koa izany ! Ary izao ny vokany… ! 🫣
Soa ihany fa lehibe lavitra noho ny antsika ny fahasoavan’Andriamanitra ho antsika, indraindray mihoatra noho izay asehontsika amin’ny hafa ! ❤️
Afaka nangataka famelan-keloka aho, ary nahita an’io andro io tsy ho toy ny “andro simba – tsy nisy nety”, fa ho andro iray hafa mbola voamariky ny fahasoavan’Andriamanitra.
Ary afaka miaina izany koa ianao — raha misafidy ny hamela heloka !
“Mifandefera,ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin'ny sasany; tahaka ny namelan'ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa. Ary aoka ho ambonin'izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin'ny fahatanterahana izany.” (Kolosiana 3:13-14)