Vitanao io !

Anio dia hiresaka isika ny amin’ny ao an-tokantrano. Raha sitrakao dia atomboko amin’ny lehilahy, izay lohan’ny fianakaviana. “Fa ny lahy no lohan'ny vavy, dia tahaka an'i Kristy koa no Lohan'ny fiangonana; ary Izy no mpamonjy ny tena.” (Efesiana 5:23). Ny tokantrano no sehatra iray tena ilàna fankatoavana, anefa sehatra iray izay tena tian’ny devoly ravàna koa noho io tsy fankatoavana io. Maro amin’izao fotoana izao ny tokantrano rava satria tsy mipetraka amin’ny toerana tokony hisy azy ny tsirairay ary nanokatra lalana hidiran’ny devoly.
Ry rahalahy namako, natao hitarika ianao fa tsy tarihina. Natao hiketrika fa tsy miandry tolorana. Eo amin’ny loha no misy ny ati-doha izay loharanon’ny hevitra, ny maso izay mahita, ny sofina izay mandre, ny vava izay miteny, ny orona izay manimbolo… rehefa tsy misy loha ny zavatra iray dia mandendeha ho azy eny ary hiafara amin’ny faharavana sy fahafatesana izany. Azonao angamba ny tiako ahatongavana.
Toa an’i Kristy izay lohan’ny fiangonana dia sahy maty hamonjena ny ao anatiny. Tokony laharam-pahamehana ho anao ny “fiangonanao”. Vonona ny hanome ny tsara, hitia sy hanaja ary hitarika ny tokantranonao ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra.
“Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan'i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy” (and 25) sy ny hoe “Dia tahaka izany koa, ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany” (and 28)
Inoako marimarina fa raha mpankató ny Tenin’Andriamanitra isika dia hihena ary tsy hisy intsony ny fisarahana sy faharavana tokantrano. Fitiavana no andrasana aminao, ho ohatry i Kristy. Manomboka anio dia handeha haneho fitiavana ny vady nekena teo anatrehan’Andriamanitra isika. Raha efa izay dia mitohiza hatrany fa izay no sitrapon’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy.
Makà fotoana anio hisantsainana izany sy mangataka torolalana amin’ny Fanahy Masina amin’ny tokony ataonao ao an-tokantrano. Mahereza fa vitanao io rahalahy!
Fahagagana ianao!

