🔥 Velomy indray ilay afo
Misy “cheminée” iray lehibe sy mahafinaritra izay, ao an-tranon'ny ray aman-dreniko ! Rehefa mirehitra tsara ny afo ao anatiny, dia mafana ery ilay toerana ary tiako ny mipetraka eo akaikiny.
Fa ilay afo nefa dia mora maty. Ary dia mikoropaka daholo ny rehetra : “Aingana o, mba misy afaka mikarakara ny afo ve?” Satria samy te hisitraka an’ilay hafanana daholo !Io dia ohatra mety tsara amin’ny finoantsika. Rehefa mahatsapa ny fanatrehan’Andriamanitra isika, dia mahafinaritra be ilay izy, mahafaly ary mampitony. Saingy misy koa ireo fotoana toa lasa “mangatsiaka” ny finoantsika.“Tsy mahatsapa an’Andriamanitra aho!”. Henontsika matetika io fehezan-teny io.Kanefa matetika no tsy mijery ny tenantsika isika hoe: “Mbola mirehitra ve ny afoko?” Sa namela ny ota hiditra tao amin’ny fiainantsika isika, ka lasa manarona ilay afo toy ny lamba lehibe mamono azy tsikelikely?I Paoly dia nampahatsiahy an’i Timoty mba hikarakara ilay afo: “Ary noho izany dia mampahatsiaro anao aho mba hamelomanao ny fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra, izay ao anatinao tamin'ny fametrahako ny tanako.” (2 Timoty 1.6). Tiako be ilay fomba filazana hoe: “fanomezam-pahasoavana”Ny nampatsiahivany an'i Timoty izany dia midika fa isika dia matetika manadino ny mihazona ny firehetan’ilay afo ao am-pontsika. Dia manontany tena isika hoe fa nahoana no tsy mahatsapa ny fisian’Andriamanitra intsony, ary izany no mitarika fahakiviana sy alahelo lalina avy eo.Rehefa maty ny afo ao an-tranon'ny ray aman-dreniko, dia tena mangatsiaka ny efitrano. Fa rehefa miverina mirehitra ilay izy, dia tena lasa toerana malefadefaka ary mahafinaritra indrindra ao an-trano.Angamba ny toerana misy anao amin’izao fotoana izao dia mety toa tena mangatsiaka, fa izany toerana izany ihany koa dia afaka hiova ho toerana mahafinaritra indrindra, rehefa velominao indray ny afo ao anatinao!Ny hafatra ho anao anio dia izao: Tsy voatery hoe diso toerana ianao fa mety hoe izao no fotoana tokony hamelomana indray ilay afo ao anatinao.Maniry ny hahatsapanao ny herin’ny afon’Andriamanitra aho, amin’ny fomba vaovao sy tsy mbola niainanao hatrizay! Ianao dia fahagagana !
