Vaovao be
Tamin’izaho nandray an’i Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy ny fiainako ny taona 2009 dia maro ireo olona tena nanakihana ahy. Ary nisy dia lany andro mihitsy nitanisa ny nataoko taloha, sy nanao eso teny. Izaho moa vao vaovao tanteraka tao anatin’ilay tontolo dia tena nahatsiaro voadona mafy ny ambom-poko ary saika niverin-dalana aho. Io tsy hoe olona ivelany ihany izay mety mbola tsy mahazo ilay safidinao fa na ireo nisora-tena ho kristianina aza dia misy ireo nanao fijery hafahafa, nametraka ny tenany ho “masina” sy “mendrika” kokoa ka tsy te handray na hanatona anao akory.
Misaotra ny Tompo aho anefa na teo aza izany dia ny ray aman-dreny ara-panahy, ireo rahavavy tao amin’ny Tompo dia nisy kosa tena nandray sy nampijoro am-pitiavana. Namefy ahy ireny ary nahatonga ahy hitia ny olona rehetra izay alefan’ny Tompo eo amiko na inona sarangany na inona fihaviany. Anisan’ny teny tena azoniko ny hoe “Koa raha misy olona ao amin'i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo.” 2 Korintiana 5:17
Mety ny ety ivelany dia mbola ianao ilay hitan’ny olona manodidina ihany fa ny ao anatinao kosa efa vaovao tanteraka. Aoka tsy ho avy amintsika re ny fitsaratsarana, ny fanilihana, ny fanafitohinana. Handeha ho raisina toa ny zaza miana-mandeha izy ireny, mety mbola solafaka, mety mbola mihinankinam-poana, mety be dongy… fa tena tian’i Jesosy tahaka ny hitiavany anao koa.
Manomboka anio dia raiso ho andraikitra matotra ny mitory an’i Jesosy amin’ny manodidina anao ary aoka tsy avy amintsika ny hanilika na ahatonga ny olona sanatria hiala amin’i Kristy. Vonona ve ianao?
Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕